PolitikaSongadim-baovao
FANDRAISANA NY FITANTANANA NY « SADC »: Namaly ireo mpitsikera azy ny Filoha Rajoelina
Andro vitsy sisa no isaina dia hiantsoroka tanteraka ny andraikitra maha Filohan’ny SADC azy ny Filohan’ny Repoblika malagasy, Andry Rajoelina. Mihazakazaka mifanaraka amin’izany koa, etsy ankilany, ny fanehoan-kevitra sy fanakiana ataon’ny mpanao politika sasany, milaza fa tsy mendrika handray izany toerana izany ny Filoha Rajoelina. Namaly izany ity farany omaly, ary nanazava ny maha zava-dehibe ny fahazoana io toerana io.
Novakian’ny Filoha Andry Rajoelina omaly ny resaka! Nambarany fa amin’izao ankatoky ny fandraisany ny fitantanana ny SADC izao dia nisy Filoha malagasy teo aloha, nahavita nitety ireo Filoham-pirenena Afrikanina mpikambana eo anivon’ny SADC, nilaza fa tsy mendrika handray ny toeran’ny Filohan’ny SADC ny Filoha Rajoelina. Tranga izay tena mampametra-panontaniana tokoa satria voninahi-pirenena no tokony harovana amina vanim-potoana toy izao, kanefa faminganana toy izany indray no ataon’ny mpanao politika sasany. Araka ny fantatra moa dia niantso ny Filoha Andry Rajoelina ireo Filoha afrikanina ireo rehefa avy noresahan’ilay Filoha teo aloha. Ary nilaza izy ireo fa tokony halamina samy malagasy ny tsy fifankahazoana eo amin’ny samy malagasy fa tsy misy idiran’izy ireo. Notsorin’andriamatoa Andry Rajoelina omaly fa tsy mahafaly ny mpanohitra mihitsy ny handraisany an’io toerana io. Ary mitady ny fomba rehetra izy ireo hanakanana azy. Fotoana anefa izao hampisehoana ny fahaizana mandray vahiny ary fampisehoana fa mirehareha amin’ny maha-Malagasy antsika isika, araka ny nambarany hatrany.
Maneho mazava ny anjara toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra ara-diplaomasia sy ara-toekarena aty amin’ny faritra ny fandraisana ity fihaonam-be ity. Manamafy koa ny lanjan’i Madagasikara amin’ny adihevitra momba ny filaminana, ny fampidirana ara-toekarena ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena afrikana.
Delegasiona mafonja
Matanjaka ny delegasion’ny firenena afrikana mivondrona ao amin’ny SADC ho avy eto Madagasikara hamonjy ny fihaonana an-tampony faha 45, araka ny fampahafantarana nataon’ny Filoha omaly. Ny Filohan’i Mozambika miaraka amin’ny delegasiona 80, ny Praiminisitra avy any Maorisy mitondra mpikambana 60, ary ireo solontena maro avy any Tanzania, Congo ary firenena mpikambana hafa.
Midika izany fa mahaliana ny olona ny fandehanana aty Madagasikara ary koa manamarika ny lanjan’ny fifampiraharahana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena, hoy ny Filoha Rajoelina Andry omaly. Hanamarika fotoana manan-tantara ho an’ny firenena izao, hoy hatrany ny Filoha, satria hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena, vao izao no hisy Filoham-pirenena malagasy, hitondra ny fiadidiana ity fikambanana lehibe ity.



