Fanatanjahan-tenaPolitikaSongadim-baovao
FANDRAISANA NY LALAON’NY NOSY 2023 : Miantso firaisankina ny Filoha Rajoelina hiarovana ny voninahi-pirenena
« Hambom-pom-pirenena, fitiavan-tanindrazana, firaisan-kina, izany no mila asehoantsika ao anatin’ny fandraisana ny Lalaon’ny Nosy », hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, omaly tao anatin’ny fitokanana ny fanavaozana sy ny fotodrafitrasa vaovao eny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, By pass. Nambarany fa rehefa voninahi-pirenena no resahana dia mila mifanome tanana ny tsirairay avy.
Nantitranterin’ny Filoha Andry Rajoelina omaly fa mila firaisankina ny fandraisana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 hatao eto Madagasikara afaka andro vitsy. Tsy mety, hoy izy, raha misy ny mitsivalam-pandry. Fiaraha-mientana sy fiombonam-po no ilaina satria ny anaran’i Madagasikara no arovana, ka tsy ijerena loko politika, hoy hatrany izy. « Hambom-pom-pirenena, fitiavan-tanindrazana, firaisan-kina, izany no mila asehoantsika ao anatin’izany fandraisana ny Lalaon’ny Nosy izany ary dingana iray no nampisehoan’ny Elgeco Plus amin’ny fandraisana izany fifaninanana izany satria rehefa voninahi-pirenena no resahana dia mila mifanome tanana ny tsirairay avy » hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Tamin’izany koa no nilazany fa tsy maintsy mandresy ny atleta malagasy, ary tsy maintsy i Madagasikara no voalohany amin’ny fifaninanana.
Tetsy ankilany, mbola nanamafy ny Filoha fa ho seho lehibe sy tsy hanam-paharoa hatramin’izay nisian’ny lalaon’ny Nosy no hisy eto Madagasikara ao anatin’ny fandraisana ny lalao.
« Tribune centrale » vaovao
Ny Kianjan’ny Elgeco Plus eo By pass no kianja faharoa handray ny fifaninanana taranja baolina kitra, ankoatra ny Kianja Barea Mahamasina, mandritra ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay ho tanterahina eto Madagasikara. Nitokana ny asa fanamboarana ny « tribune centrale » vaovao natsangana ao amin’ity kianja ity ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 10 aogositra 2023.
Manaraka ny fenitra hahafahany mandray lalao iraisam-pirenena araka izany ity kianja Elgeco Plus ity, izay mahazaka mpijery hatramin’ny 4750 , ahitana efitra fandraisana ireo vahiny sy ireo mpilalao (loges, vestiaires), efitra fijerena sary mihetsika mba hahafahan’ireo mpilalao mamerina mijery ireo lalao sy miala voly ary koa nametrahana « escalator » sy « ascenseur » mba hahafahana mampiditra sy mamoaka ny olona ao anatin’ny fotoana fohy.
Niarahaba manokana ny Filohan’ny Elgeco Plus nahavita ity fotodrafitrasa lehibe ity moa ny Filoha Andry Rajoelina, izay nambarany fa tsy ho an’ny klioba irery ihany fa ho an’ireo mpankafy ny baolina kitra rehetra.



