Songadim-baovaoToekarena

FANDRAVANA TAMBAZOTRA MPANAO TRAFIKANA SOKATRA: Mariky ny fahombiazan’ny paikady ampiharin’ny Fanjakana

Fandravana tambazotra mpanao trafikana sokatra anisan’ny goavana indrindra iny saron’ny Fitondram-panjakana tamin’ny faran’ny herinandro teo iny. Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Max Andonirina Fontaine dia efa tena tsara fandrindrana fomba fiasa ireo olon-dratsy saingy tsy nanakana ny fanadihadiana notanterahan’ireo mpitandro filaminana izany. Ampy fitaovana ireo mpanao trafika ary misy vola maloto maro miodina ao anatin’ny afera. Mahakasika io raharaha nahatrarana ireo 19 mianadahy nalefa eny Antanimora sy Tsiafahy io dia anisan’ny fitaovana ampiasaina sy tratra teny amin’izy ireo ny basy, fiara, ary mbola misy mpanamory vedety ihany koa nandray anjara.
Midika izany fa ahitam-pahombiazana ny paikady ampiharin’ny Fitondram-panjakana ao anatin’ny ady amin’ny trafikana sokatra. Manaporofo izany ny fiakaran’ny antontanisan’ny trafika tra-tehaky ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Tamin’ny taona 2024, ohatra, dia maherin’ny 3 000 ireo sokatra tratra natao trafika. Noho ny ezaky ny mpitandro filaminana sy mpisehatra marolafy dia teto Madagasikara avokoa no sarona ny ankamaroan’izy ireo. Ny 91%-n’ireo sokatra malagasy tafaporitsaka tany ivelany ihany koa dia tafaverina an-tanindrazana avokoa.

Noho ny fidangan’ny filàna eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no mahatonga ny firongatry ny trafikana sokatra, hoy hatrany ny fanazavan’ny Minisitra. Any amin’ireo firenena any Asie Atsimo-Atsinanana, ohatra, dia sokajiana ho biby avo lenta ny sokatra, indrindra ireo sokatra avy eto Madagasikara izay tsy fahita firy manerana an’izao tontolo izao. Be mpitady ny sokatra ary biby lafo vidy izy any ivelany. Mandeha amin’arivo dolara maro no handraisan’ny olona any ivelany ny sokatra iray. Noho ireo rehetra ireo no mahatonga ny fisian’ireo tambazotra lehibe mpanao trafikana sokatra iraisam-pirenena.

Manoloana ny zava-misy, tsy misy indrafo ny sazy ho an’ireo izay tratra manao trafikana sokatra, hoy ny fanamafisan’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Biby voaaron’ny lalàn’ny CITES ny sokatra ka enim-bolana hatramin’ny 2 taona ny sazy miandry ho an’ireo izay tratra manao fandikan-dalàna. Arahan’ny lamandy mahatratra hatramin’ny 100 tapitrisa ariary. Mba tsy hahatongavan’ireo sokatra eny am-pelatanan’ireo mpanao trafika, manamafy hatrany ny fanentanana ny rehetra ny Ministera, ireo mpiara-miombona antoka sy Vondrona Olona eny Ifotony mba ho sahy hitoroka sy hampandre avy hatrany raha toa ka mahatsikaritra tranga mampiahiahy.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer