Songadim-baovao
FANDRINDRANA NY MPONINA : Tosika lehibe ho an’ny fampandrosoana ny fanatsarana ny sehatra efatra voakasika
Notanterahina, omaly tetsy Ankorondrano, ny Fikaonandoha avo lenta, teo ambany fiahian’ny Sampandraharaha amerikanina misahana ny Fampandrosoana (USAID), ary isan’ny nandray anjara ny ampahany tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Nojerena manokana ny endriky ny “dividende démographique” sy ireo fanamby ary ny fahafahana manatratra izany, ho fanatsarana ny fiainan’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina…

Notontosaina, omaly tetsy Ankorondrano, ny Fikaonandoha avo lenta, teo ambany fiahian’ny Sampandraharaha amerikanina misahana ny Fampandrosoana (USAID), ary isan’ny nandray anjara ny ampahany tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Nojerena manokana ny endriky ny “dividende démographique” sy ireo fanamby ary ny fahafaha-manatratra izany, ho fanatsarana ny fiainan’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina. Nasongadin’ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison « fa fitaovana mahomby enti-miady ny fahantrana ny « dividende démographique » sady mampandroso ny Firenena no manatsara ny fiainan’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina ». Isan’ireo mandray anjara ny avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny momba ny fanabeazana ho an’ny rehetra, ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ny tanora, ny fanatsarana ny asa sy ny famoronana asa mendrika, mizotra mankany amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Teo koa ny minisiteran’ny Mponina, izay tompon’ny fandrindrana ny mponina. Momba ny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana, ahitana ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny eo anivon’ny Sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena. Ny andrasana, ny fandraisana anjaran’ireo minisitera, ao anatin’ny fampiroboroboana sy fanatsarana ny sehatra tsirairay avy, mba hampiasaina ireo sehatra ireo, ho fampandrosoana ny Firenena. Misy ireo mpiara-miombona antoka, misy ny fandraisana andraikitra ny Fitondram-panjakana, raha ny fanazavan’ny minisitra Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Miezaka hahatratra ny « dividende démographique » i Madagasikara.
Manararaotra mampitombo fampiasam-bola

Tombony ho an’ny fandrosoana ara-toekarena ny fiovan’ny firafitry ny sokajin-taonan’ny mponina. Ny Governementa amerikanina, miara-miasa amin’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana misahana ny Mponina (FNUAP), dia manampy an’i Madagasikara hahatratra ny « dividende démographique ». Ny « dividende démographique » dia ny fitomboan’ny harin-karena miainga amin’ny fiovan’ny firafitry ny sokajin-taonan’ny mponina, indrindra rehefa betsaka kokoa ireo ampahany amin’ny mponina ao anatin’ny sokajin-taona, afaka miasa miohatra amin’ireo mponina, izay mbola tsy afaka miasa na ireo efa tsy afaka miasa intsony. Sady mitombo isa hatrany ireo mponina tanora eto Madagasikara no mihena ny taham-piterahana. Vokatr’izany, afaka manararaotra mampitombo ny fampiasam-bola amin’ireo sehatra manan-danja toy ny fahasalamana, ny fampianarana, ny asa, ary ny fitantanan-draharaham-panjakana izay hitondra mankany amin’ny lalan’ny fampandrosoana nizoran’ireo firenena aziatika i Madagasikara, hahatonga azy ho Firenena manana fidiram-bola antonony.
Mampitombo ny harin-karena faobe
Nandray anjara tamin’ny fikaonandoha avo lenta, ny ampahany tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta malagasy. Tafiditra ao koa ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena, nijery ny endriky ny “dividende démographique” sy ireo fanamby ary ny fahafahana manatratra izany. “Ny « dividende démographique », sady mampandroso ny Firenena no manatsara ny fiainan’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina », raha ny nambaran’ny Mpiandraiki-draharahan’ny Masoivoho amerikanina, Tobias Glucksman, nandritra ny lahateniny. Ny fitambaran’ny vokatry ny fandrindrana ny fianam-pianakaviana sy ireo fampiasam-bola amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny toekarena dia mampitombo tokoa ny harin-karena faobe. Tiana ny manamarika fa namoaka sori-dalana ho an’ny “dividende démocratique” i Madagasikara ny taona 2019 ary namaritra sehatra 28 izay nosokajiana ho fototry ny fanarenana. Ny taona 2020 dia nanome toky ny governemanta malagasy fa handray fepetra vaovao, manome vahana ny “dividende démographique” ho fitaovana hoentina mampihena ny tsy fitoviana sy ny fahantrana, handresena ny tsy fanjarian-tsakafo, ary hanatsarana ny fari-piainan’ny rehetra.




