Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANDRODANANA TRANO TETSY IVATO : Miantso vonjy amin’ny Tomponandraiki-panjakana isan-tokony ny Tompony

« Tsy voarafitra ao anatin’ny fizotran’ny lalana araka ny drafitra navoakan’ny Fanjakana, ny 12 aogositra 2020 ny taninay, ka nahatonga ahy hametraka tetikasa goavana mitentina amina miliara maro. Fotodrafitrasa goavana anamboarana toeram-pivarotana lehibe, afaka mampiasa tanora manodidina ny 3000 », hoy ilay renim-pianakaviana, Rasoambolanoro, tompona trano maro etsy akaikin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ampitan’ny radio Don Bosco, omaly, izay latsa-dranomaso noho ny fandrodanana. Narodana omaly mantsy ny tamboho mirefy 200 metatra niaraka amin’ny tranobe manara-penitra saika hanaovana toeram-piavarotana lehibe. Raha ny fantatra, misy arabe migodana mampitohy an’Andranotapahina sy Ivato, izay tetikasan’ny Fitondram-panjakana efa mandeha, nanjary nandalo teo amin’io tranobe saika hanaovana Toeram-pivarotana lehibe io. Voalaza tany am-boalohany moa fa tsy isan’ireo lalovan’io arabe migodana io ny faritra misy ity toerana hanaovana « centre commercial » ity. Noho izany, nanohy nanao ny asa fananganana hatrany ny tompon’ilay toeram-pivarotana lehibe ary tsy nanana ahiahy mihitsy, satria voafaritra  fa ireo tanimbary ao an-damosin’ny tamboho no kitihina.

Vao afakomaly anefa no nampahafantarina ny tompon’ilay « centre commercial » vao hatsangana, fa tsy maintsy mandalo eo amin’ny faritra misy azy ireo ilay tetikasa fanamboarana arabe migodana. Niroso tamin’ny fandravana rehetra ny orinasa sinoa mpanamboatra ilay arabe migodana, omaly. Tsy avily lalan-kafa intsony fa tsy maintsy mandalo eo amin’io « centre commercial » io ilay arabe, raha ny fanazavana azo. Tokotany malalaka be saika hanaovana « parking » ilay toeram-pivarotana lehibe, araka izany, no tsy maintsy hanamboarana ilay arabe migodana.

Maniry ny hihaona amin’ny Filoha

Very fanahy mbola velona ilay Ramatoa tompon-toerana satria lasa tsy misy dikany intsony  ilay tetikasa fanamboarana ilay toeram-pivarotana lehibe efa natombony. Ny toerana malalaka saika hanaovana « parking » mihitsy io lasa nanamboarana arabe migodana io. Ny tranobe amina miliara maro anefa efa natsangana. Nambaran’ilay ramatoa tompony, fa vola natao trosa tany amin’ny banky no nanaovany io tetikasa fananganana toeram-pivarotana lehibe io. Potika tanteraka, hoy izy, ny fihariana sy nofinofy nokasaina hatao.

Miantso vonjy amin’ny tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny ity Renim-pianakaviana ity ary maniry mafy ny hihaona amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Tokony mba hoeken’ny Filoha ny fihaonana aminy, mba hahafahany mandresy lahatra ny Filoha, ny amin’ny maha zava-dehibe io tetikasa fananganana toeram-pivarotana lehibe kasaina ho atao io. Afaka mamelona tokantrano maro sy mampiasa olona anjatony io rehefa vita. Nomarihany mazava fa tsy manakana ny tetikasa kasaina tanterahina ny tenany. Nasongadiny koa fa ara-dalàna ary manana antontan-taratasy mazava tsara izy momba io taniny io.

Ny Fanoratana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer