Songadim-baovaoSosialy

FANEFITRY NY COVID- 19: Natao Vaksiny Janssen omaly ny Praiminisitra Ntsay Christian

Lalana iray efa nosafidian’I Madagasikara hahafaha-miatrika ny Covid-19 ny fanaovana ny Vaksiny, ankoatra ireo fanefitra hafa izay efa hitan’ny mpikaroka malagasy, ary nahitam-bokany. Omaly, tonga nanao Vaksiny Janssen tetsy amin’ny Hopitaly Befelatanana ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ny tenany izay nanipika mazava tsara fa tsy an-tery ny fanaovana ny Vaksiny, saingy mampirisika kosa ny tokony hiarovan’ny tsirairay tena manoloana ny valanaretina.

Tsy manohitra ny Vaksiny ny Fanjakana malagasy, saingy mametraka ho lohalaharana kosa ny voka-pikarohana malagasy entina miatrika ny valanaretina Covid-19, hoy ny Filoha Andry Rajoelina, raha tsiahivina, raha niresaka mahakasika ny Vaksiny ny tenany tamin’ny fotoan’androny. Tsy niova, ary mbola mipetraka hatrany io foto-kevitra nijoroan’ny Fanjakana io hatramin’izao. Nisafidy ny hanao vaksiny, noho izany, ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Ny tenany izay ankoatra ny maha Praiminisitra azy dia olom-pirenena afaka misafidy tsara ihany koa amin’izay fiarovan-tena mety aminy.  Ao anatin’izao fitohizan’ny ady amin’ny valanaretina covid-19 izao, araka izany, dia nanatona ny hopitaly Joseph Raseta Befelatanana Andriamatoa Ntsay Christian, Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, hatao vaksiny fanefitra ka ny « Janssen » avy amin’ny orinasa mpamokatra fanafody « Johnson & Johnson » no natao taminy. “Naneho ny hafaliany tamin’ny fahavitana ny fanefitra ny Praiminisitra ka nambarany fa nanome ohatra ho an’ny vahoaka amin’ny maha-mpitondra azy ny tenany, ary nomarihiny fa tsy an-tery ny fanaovam-baksiny saingy entanin’ny fitondram-panjakàna kosa ho fiarovana sy fitsinjovana ny vahoaka Malagasy”, hoy ny fampitam-baovao.

Notsiahivin’ny Praiminisitra tamin’ny fandraisam-pitenenany fa ny fanjakàna no nanome alalana tamin’ny fampidirana izany vaksiny izany teto Madagasikara, ka rariny raha nanome ohatra ho an’ny vahoaka. Nohantitranterin’ny Praiminisitra nandritra ny fotoana omaly fa ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy manontolo no vaindohan-draharahan’ny Filoham-pirenena tamin’ny fanapahan-kevitra nanafarana izao vaksiny izao, fa tsy ny mahakasika an’ireo mpitondra sy mpitantana ankehitriny.

Maherin’ny 300 isanandro

Araka ny fanazavan’ny Fitaleavana misahana ny fanaovam-baksiny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia mahatratra 300 isan’andro eo ho eo ireo olona tonga manao vaksiny, amin’ity karazany Janssen ity, ankehitriny. Hatreto anefa, mbola ireo olona maika hivoaka any ivelany, sy ireo olona mihoatra ny 55 taona ary ireo olona taizan’aretina no hatao lohalaharana. Raha ny fanazavana hatrany, dia amin’ny herinandro ambony iny no hisokatra ny fanaovam-baksiny ho an’ny daholobe, saingy tsy maintsy misoratra anarana kosa, na amin’ny tranonkala, na amin’ny SMS ireo izay te hisitraka izany. Hatreto, tsy mbola nisy fitaraina voaray mahakasika ny fampiasana ny Vaksiny Janssen.

Fermer