PolitikaSongadim-baovao
FANELEZANA TSAHO SY LAINGA: « Salama tsara aho, sady tsy formes graves », hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo
Niely ny feo tao amin’ny tambajotra sosialy Facebook nanomboka ny Alatsinainy hariva teo fa niditra hopitaly noho ny aretina Coronavirus ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo. Tonga hatramin’ny filazana mihitsy fa ao anatin’ireo “Formes graves” ny tenany. Omaly, “Salama tsara ny tenako, sady tsy formes graves”, hoy izy, namaly ireo mpanely tsaho nandritra ny fidinana ifotony tetsy Analakely.
“Vaovao vao mafana. Toa hoe nampidirina hopitaly ao amin’ny reanimation HJRA ny Minisitry ny Serasera Lalatiana Rakotondrazafy, fa afenina mafy ny mikasika izany ary nasiana polisy miambina manodidina”, io no tsaho niparitaka tao amin’ny tambajotra sosialy nanomboka ny Alatsinainy teo. Mbola niampy koa àry hoe, “Mahazo marary anie ianareo mpitondra e! Fa maninona no afenina? Renay izao fa efa nafindra toerana omaly hariva indray Ramatoa Minisitra kanefa toa efa cas critique ihany izay nahazo azy izay araka ny hitan’ny nanatri-maso”. Fanambarana izay diso tanteraka.
Voaporofo ny maha lainga ity fanapariaham-baovao ity tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, omaly, tetsy Analakely. Izy izay sady tsy maneho soritr’aretina akory no, mazava ho azy, fa tsy ao anaty tranga misy fahasarotana amin’ny Coronavirus. Mbola mahavita nitondra ny fiara ampiasaina aza ny tenany, araka ny hita omaly. « Salama tsara ny tenako, sady tsy cas critique no tsy formes graves », hoy izy. Notsipihin’ny Minisitra fa tena milaza ho nanatri-maso ny zava-nisy rehetra momba ny fampidirana hopitaly azy ireo mpanely tsaho. Tranga izay nodisoany tanteraka. “Misaotra an’Andriamanitra aho fa mihinana CVO Plus, ary tsy manana olana mihitsy amin’ny ara-pahasalamana”, hoy hatrany ny tenany.
Tsy misy voan’ny Covid-19 ireo Minisitra rehetra
Notsindrian’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, fa tsy misy voan’ny Covid-19 ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ankehitriny. Io omaly io koa anefa no nahafantarana fa efa nisy, teo aloha, ny minisitra voan’ny Covid-19 saingy efa sitrana soa aman-tsara ankehitriny. Ary efa manatrika Filankevitry ny Minisitra sy ny Filankevitry ny Governemanta daholo. Nisy koa, hoy izy, minisitra izay nalefa notsaboina tany ivelany (Evasan), fa tsy noho ny Coronavirus no nandefasana azy tamin’izany fa antony hafa. Nilaza, noho izany, ity tomponandraikitra ity fa tsy ny Governemanta mihitsy no handeha hanafina izay Minisitra na tomponandraiki-panjakana mety mitondra ny Coronavirus, raha tsy hoe safidin’ilay Minisitra manokana mihitsy no tsy hampahafantatra izany.
Ny Fanoratana.




