PolitikaSongadim-baovao
FANELEZANA VAOVAO DISO: Mahavoasazy lamandy hatramin’ny 10 Tapitrisa Ar
Teo anatrehan’ny fanapariaham-baovao nilazana fivarotan-jaza tany Ikongo tato anatin’ny andro vitsy, nampahatsiahy ny Filankevitry ny Minisitra, ny alarobia teo, fa melohin’ny lalàna manan-kery ny famoahana sy ny fanaparitahana vaovao diso. Ny andininy faha-30 ao amin’ny Lalàna lf 2020-006 momba ny Serasera amin’ny Haino Vaky Jery koa, dia milaza mazava tsara fa lamandy 5 ka hatramin’ny 10 Tapitrisa Ar no azon’izay manaparitaka vaovao tsy marina.
Nanombohana ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia teo ny resaka mahakasika ny fanaparitahana vaovao tsy marina izay miha-mahazo vahana amin’izao fotoana izao. Rehefa natao ny fanamarinana sy ny fanangonam-baovao rehetra, dia tsy marina velively ny filazana fa misy fivarotanjanaka noho ny fahasahiranana any amin’ny Kaominina sasany any amin’ny distrikan’Ikongo. Nohamafisin’ny Filankevitry ny Minisitra fa efa nitondra fanazavana nandiso tanteraka izany tsaho izany ny lehiben’ny OMC (Organe Mixte de Conception) Faritra Fitovinany, dia ny Prefen’i Manakara, niaraka tamin’ireo lehiben’ny mpitandro filaminana any amin’ny Faritra, teo koa ny Ben’ny tanàna amin’ny Kaominina samihafa izay voatonotonona tahaka ny Kaominina Ambanivohitra Ifaniriaha, ary ny mpisehatra ara-tsosialy miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any an-toerana.
Tsiahivina fa efa nanamafy koa ny Vaomiera Mahaleotena momba ny Fiarovana ny Zon’olombelona na ny CNIDH, izay nanao fanadihadiana ifotony nilaza mazava fa tsy misy izany trangana fivarotan-jaza iniana aely izany.
“Tsy mifanaraka velively amin’ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy rahateo koa izany mivaro-janaka izany na inona na inona tranga mety misy, ka melohina tanteraka ny tetikady politika maloto izay ampiasaina, dia ny fanelezana tsaho handemena ny saimbahoaka sy hanohitohinana ny filaminana anatiny ankehitriny”, hoy ny Filankevitry ny Minisitra.
Misokatra ny fanadihadiana…
Manoloana ireny tranga ireny, efa nanokatra ny fanadihadiana hahitana izay mety nipoiran’ny fanelezana tsaho ny avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao, ka mila handraisana fepetra hentitra izay fototra niaingan’ny vaovao tsy marina miteraka fanakorontanana, araka ny fanazavana. Nanentana ny olom-pirenena rehetra koa ny Filan-kevitry ny Minisitra mba ho mailo tanteraka satria hita taratra fa ho fitaovam-piadiana politika eo ampelatanan’ireo mpanao politika sasantsasany, izay mety tsy ampy hevitra hotohanana, ny famoronana vaovao tsy marina sy fanelezana tsaho. “Mila fifampitaizana rahateo koa mba tsy hihinana am-bolony ny olom-pirenena, fa hanana fahamailoana sy fahazarana ka tsy tonga dia hino sy hizara izay vaovao mivoaka rehetra fa hanamarina izany hatrany aloha. Tsiahivina fa melohin’ny lalàna manan-kery ny famoahana sy ny fanaparitahana vaovao diso”, hoy hatrany ny Filankevitry ny Minisitra.
Ambana ho an’ny fahalalahana miteny
Nitondra fanampim-panazavana omaly ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, tamin’ny alalan’ny Tale Jeneralin’ny Serasera, Fetra Rakotondrasoava, mahakasika indrindra ity resaka fanelezana vaovao diso ity. Nambarany fa, araka ny efa nohantitranterin’ny Minisitera hatramin’izay, dia ambana lehibe ho an’ny fahalalahana miteny sy ny demokrasia ny fanapariahana vaovao diso. Nampahafantariny tamin’izany koa ny voalazan’ny Lalàna 2020-006, tamin’ny 01 Septambra 2020 momba ny Serasera amin’ny Haino Vaky Jery, ao amin’ny andininy faha-30 izay milaza fa “ ny famoahana, ny fanapariahana, ny famokarana antsitrapo torohay lainga, fanamarinana na tranga namboamboarina, novaina, hosoka na tsy marina mitondra ny vahoaka amin’ny hevi-diso na manakorontana ny filaminam-bahoaka dia mahavoasazy handoa lamandy 5 000 000 hatramin’ny 10 000 000 Ariary”.




