PolitikaSongadim-baovao
FANELEZANA VOKA-PIFIDIANANA HOSOKA: Mitady ny fomba rehetra hanakorontanana ny Mpanohitra
Mibaribary tanteraka ny finiavana hamboly korontana sy ny hamilivily ny safidim-bahoaka marina ataon’ny fanoherana, amin’ny alalan’ny famoahana voka-pifidianana hosoka any amin’ny tambazotran-tserasera, izay mampiroaroa saina ny olom-pirenena. Ny faran’ny herinandro teo dia ny Tranonkala ofisialin’ny Ceni mihitsy no nidiran’ny teknisiana avy amin’ny mpanohitra ka nampidirany voka-pifidianana diso ho an’ny teto Antananarivo Renivohitra.
Tsy vitsy ireo taitra ny sabotsy lasa teo raha nahita fa niova ny voka-pifidianana tao anatin’ny tranonkala ofisialin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Ny voka-pifidianana vonjimaika teto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohira ihany no nisy nanova, araka ny hita. Raha ny fanazavan’ny Ceni dia nisy olona niditra tsy ara-dalàna io tranonkala io, ary nanova ny vokatra izay taratry ny safidim-bahoaka. Araka izany dia efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana. “Ny Ceni dia manameloka tanteraka izao fihetsika entina hamiliviliana ny safidim-bahoaka sy hanakorontanana ny firenena izao. Manainga hatrany ny olompirenena rehetra, tsy ho resin’ny fandrebirebena ary hiandry am-pitoniana ny vokatra ofisialy izay avoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana”, hoy ny fanambarana. Fepetra noraisin’ny Ceni moa ny fanakatonana vonjimaika io tranonkala io aloha hatramin’ny fotoana voafetra, mba hiantohana ny fiarovana azy.
Nanamafy moa andriamatoa Tseheno Rakotondrasoa, Tonia mpanatanteraka eo anivon’ny Ceni, fa izay vokatra notaterina ampahibemaso tamin’ireo renivohi-paritany rehetra no manan-kery, ary efa nalefa any amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana, izay hamoaka ny vokatra ofisialy.
Finiavana hanakorontana
Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ity raharaha ity Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, Filoha nasionalin’ny Antoko Freedom sady Mpikambana eo anivon’ny IRMAR, ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa amin’ity tranga niseho ity dia mipetraka mazava ilay hoe « à qui profite le crime? » na hoe iza no mahazo tombontsoa amin’izao zava-miseho izao ? . “Maninona no tonga dia ny TIM sy ny mpiara-dia aminy daholo no namoaka voalohany ilay hoe « vokatra hafa » navoakan’ny CENI ka lasa « nampandresy an’i Tojo Ravalomanana amin’ny salan’isa 42,21% »? Naminany ve izany ny mpomba an-dRavalomanana fa niova tampoka ny vokatra androany hariva dia lasa nijery tao amin’ny tranonkalan’ny CENI izy ireo dia iny tokoa fa hitany tao hoe niova tokoa ilay vokatra? … Mazava be hoe mbola ao foana ilay finiavana hanakorontana. Mba ampy kosa izay”, hoy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy.
Notsiahiviny fa azo sokajiana ho fandikan-dalàna araka ny voalazan’ny lalàna fehizoro mifehy ny fepetra ankapobeny amin’ny fifidianana (régime général des élections) izao zavatra misy izao ka rariny loatra raha sokafana ny fanadihadiana ary hatao ny fanenjehana araka ny lalàna izay tompon’andraikitra amin’izao. Araka ny voalazan’ny andininy faha-230 ao amin’io lalàna fehizoro io tokoa mantsy, “izay manohintohina ny fizotran’ny raharaham-pifidianana araka ny tokony ho izy, na nanova, na koa nikasa hanova ny voka-pifidianana, dia voasazin’ny lalàna 1 hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina, miampy lamandy 600 000Ar hatramin’ny 6 000 000 Ar.
Fitandroana filaminana
Omaly dia nandefa fampitam-baovao ny avy amin’ny Mpitandro filaminana, mahakasika ity raharaha ity hatrany. Notsindrian’izy ireo fa fandikan-dalàna ny famoahana vaovao diso, indrindra momba ny fifidianana. Tsy maintsy nandray fepetra araka izany izy ireo nanoloana ity raharaha ity. Niantso ny rehetra kosa ny Mpitandro filaminana mba hanatona ny rafi-pitsarana mahefa raha toa ka manana fitarainana mifandraika amin’ny raharaham-pifidianana. Fa ny hetsika rehetra mety hanohintohina ny zotram-pifidianana kosa dia tsy hisy fandeferana.



