Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANENDAHANA ENY ANOSIBE SY ANOSIZATO: Mpanendaka iray vao nivoaka ny fonja lavon’ny balan’ny Polisy

Tanana zatra mitsotra… ara-bakiteny tokoa raha ity trangam-piarahamonina iray niseho teny Anosizato Andrefana, ny harivan’ny Alarobia 11 jona lasa teo ity. Jiolahy mpanao asa ratsy fanendahana eny amin’ny faritra Anosibe sy Anosizato iny, no lavon’ny balan’ny Polisy. Ity farany mantsy, fantatra fa olona vao nivoaka ny fonja ny volana Desambra 2024, noho ny resaka fanendahana ihany. Efa nahazoanny Polisim-pirenena loharanom-baovao izy io, noho ny asa ratsy fanaony eny amin’ny faritra voalaza io, ka narahi-maso. Ity farany, izay mampiasa zava-maranitra toy ny antsy, ary teo am-panendahana mpandeha an-tongotra hamonjy fodiana teny Anosibe iny indrindra izy, no nifanehitra tamin’ny Polisin’ny CUI sy UIR Tsaralalana. Nosamborina avy hatrany ity farany, saingy tsy nanaiky mora no sady nitari-dositra avy hatrany. Tapi-dalan-kaleha anefa, ity olon-dratsy ity nony tonga teny Anosizato Atsinanana, ka nampiasa ny fitaovana teny aminy io, mba hamelezana ireo Mpitandro filaminana no maty voatifitra. Mbola mitohy io hetsika famongorana ny mpanao ratsy eto an-dRenivohitra ity, ary amin’ny toerana rehetra mihitsy ka nanentanan’ny Mpitandro filaminana mba hanomezana angom-baovao azy ireo, hanamora ny fampandriana fahalemana iombonana ity.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer