PolitikaSongadim-baovao

FANENJEHANA OLONA AMBONY – HCJ: « Lasa vato misakana ny Antenimieram-pirenena », hoy ny CSI

Rafi-pitsarana napetraka natao handray an-tanana sy hitsara ireo raharaha maha voasaringotra olona ambony eto amin’ny tany sy ny firenena ny Fitsarana Avo na ny Haute Cour de Justice (HCJ). Ny lalàna mifehy ity rafitra ity anefa dia milaza fa tsy maintsy handraisan’ny Antenimieram-pirenena fanapahan-kevitra ny antontan-taratasy mahakasika olona ambony iray vao azo entina eo anoloan’ny Fitsarana Avo mba ho tsaraina. Hatramin’ny fivoriana ara-potoana farany tamin’ny taon-dasa, niisa 12 teo ireo dosie efa vita fanadihadian’ny Vaomiera manokana misahana ny fiampangana eo anoloan’ny Fitsarana Avo eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, saingy tsy mbola nisy, na iray tamin’ireo aza, nandraisan’ny fivoriana itambarambe fanapahan-kevitra. “Malahelo tokoa raha dimy taona no lany eo anatrehan’ny Antenimieram-pirenena. Kanefa tsy misy na dia iray aza fiampangana eo anatrehan’ny Fitsarana Avo. Nefa iaraha-mahalala fa ny Minisitra sy ireo sokajin’olona ambony hafa dia io no rafi-pitsarana afaka mitsara azy. Tsy gaga isika, noho izany, raha toa ka tsy mahita trondro vaventy voasazy mihitsy amin’ireo voalaza fa raharaha mafana teto amin’ny firenena… Miandry ny parlemantera isika izany, ary tokony hafainganina ny fandraisan’izy ireo fanapahan-kevitra”, hoy ny Filohan’ny Komity Mitandro ny Fahitsiana (CSI), Ramatoa Sahondra Rabenarivo. Araka izany, isan’ny mampitarazoka ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota eto Madagasikara ny fitarazohan’ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny sehatra toy ireny.

Tafapetraka ny ARAI

Ny alakamisy teo, nanatanteraka ny tatitry ny asa vita ho an’ny taona 2022 ny CSI, ka nambaran’izy ireo ho isan’ny tolo-kevitra hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny Fanjakana tsara tantana io fiampangana eo anoloan’ny Fitsarana Avo io. Ankoatra izay, mila hafainganina koa, hoy ny Filohan’ny CSI, ny fandraisana ireo didim-panjakana sy fanapahan-kevitra isan-tsokajiny mifandraika amin’ny ady amin’ny Kolikoly. Isan’ny nambarany tao anatin’izany ny nametrahana ny ARAI tamin’ny taona 2022 izay tsy maintsy nandrasana 4 taona latsaka taty aoriana vao tafapetraka kanefa azo natsangana tamin’ny taona 2019 ihany. Na izany aza, azo ambara ho dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny Kolikoly ny fitsanganan’ny ARAI izay Antokon-draharaha manao ny Famerenana ny harena azo tsy ara-dalàna. Hatramin’izay nitsanganany izay, Kaonty amin’ny banky miisa 420 no nogiazan’ny ARAI. Fiara 175 no efa nogiazana. Nahatratra 196 ny fanapahan-kevitra momba fanagiazana tonga teo amin’ny ARAI hatramin’ny nijoroany. Trangana kolikoly sy fanodinkodinam-bola niseho taorian’ny taona 2018 izy ireo, araka ny tatitra.

Efa mitsangana avokoa, noho izany, ireo rafitra dimy natao iadiana amin’ny kolikoly sy ampanjaka ny Fanjakana tsara tantana, dia ny CSI, BIANCO, SAMIFIN, PAC, ary ny ARAI. Nanamarika ny taona 2022 koa ny fipetrahan’ny rafitra ara-kajimirindra SIIGAC izay natao hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly hatrany.

Fermer