PolitikaSongadim-baovao

FANENJEHANA OLONA AMBONY: Minisitra efatra no efa namaly ny antson’ny Vaomieran’ny HCJ

Tompon-kevitra amin’ny tokony hanenjehana na tsia tomponandraikitra ambony iray ny eo anivon’ny Antenimierampirenena, miainga tatitra ataon’ny Vaomieran’ny fiampangana eo anoloan’ny Fitsarana Avo. Raha tokony ho natao omaly ny tatitry ny asa vitan’ity vaomiera ity, dia tsy maintsy nahemotra indray izany noho ny mbola fisian’ny pitsopitsony tsy vita amin’ny asa nampandraiketina azy ireo. Hatreto, minisitra efatra no efa namaly ny antson’ity vaomiera ity tamin’ny asa fanadihadiana izay ataon’izy ireo.

Mitohy manao ny asa nampandraiketina azy ny Vaomeran’ny Fitsarana Avo eo anivon’ny Antenimieram-pirenena rehefa nahazo ny fankatoavan’ireo depiote, ny amin’ny hahafahana manemotra indray ny fanaovan’izy ireo ny tatitra. Tsiahivina fa omaly 24 Novambra 2020 no voafaritra tao anatin’ny lahadinika hanatanterahana izany, saingy izao nahemotra izao indray. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Vaomiera manokana misahana ny fiampangana manoloana ny Fitsarana Avo, ny Depioten’i Vohipeno, Tsabotokay Honoré, “zava-dehibe loatra ny raharaha dinihana, ary koa, miainga eo anivon’ireo Depiote rehetra ny fanapahan-kevitra mahakasika ny tokony hanenjehana olona ambony iray na tsia, ka mila fotoana izany”.

“Tsy misy fatahorana valifaty politika. Tsy misy tsindry, ary tsy misy fanapahan-kevitra politika raisina eo anivon’ny Kaomisiona, fa mandeha araka ny lalàna daholo ny zava-drehetra”, hoy ny Depiote Tsabotokay Honoré. Hatreto, 12 ny dosie eo am-pelatanan’ny Vaomiera, niainga avy tamin’ny fitanana an-tsoratry ny Bianco sy ny “Pôle Anti-Corruption” na ny Pac. Fotona izay nanindrian’ity tomponandraikitra ity fa ny olona iray dia mety manana dosie efatra na telo. Isaky ny dosié anefa no hijerena ny raharaha fa tsy isaky ny olona. Izany hoe, ilàna fotoana maharitra ny fandinihana ireo antontan-taratasy rehetra.

Minisitra tamin’ny fitondrana teo aloha.

Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Vaomiera hatrany, minisitra teo aloha efatra hatreto no efa namaly ny antson’ny Kaomisiona nandritra izao fotoana fandinihana ny dosien’izy ireo izao. Saika minisitra tamin’ny fitondrana teo aloha avokoa izy ireo, raha ny fanazavana hatrany. “Hatreto, mbola tsy azo lazaina hoe iza avy ireo olona ireo, saingy samy minisitra teo aloha daholo kosa anefa”, hoy ny nambarany. Ireo vavolombelona kosa dia saika teknisianina teo anivon’ny minisitera niandraiketan’ireo tomponandraikitra ireo tsirairay avy ihany. Etsy ankilany, misy amin’ireo olona manana raharaha eo anivon’ny Fitsarana Avo ireo no eto Madagasikara, ary misy koa ireo any am-pitan-dranomasina. Tsy tokony ho sakana amin’ny fanatanterahana ny fanadihadiana anefa izany.

Mbola tsy taraiky

Betsaka ireo pitsopitsony mbola tsy tomombana amin’ny fijerena ireo dosie rehetra. Anisan’izany ohatra ny tsy fahatongavan’ny Vavolombelona, toy izay niseho afakomaly, tamin’ny fotoana nivorian’ny Kaomisiona, araka ny fanazavana. « Ilaina anefa ireny Vavolombelona ireny amin’ny fomba hikirakirana ny raharaha, antony tsy maintsy hanemorana ny tatitra », hoy ny fanazavana. Na izany aza, nanome toky ity filohan’ny Kaomisiona ity fa tsy maintsy ho tratrarina ato anatin’ity fotoam-pivoriana ara-potoana ity ny famitana ny fandinihana ireo antontan-taratasy rehetra ireo. « Araka ny fitenin’ireo mpahay lalàna, aleo mamotsotra olo-meloka, toy izay managadra olo-marina », hoy hatrany izy. Mbola tsy misy fahatarany rahateo ny fandinihana ireo raharaha ireo.

Fermer