PolitikaSongadim-baovao
FANENJEHANA TRANGANA KOLIKOLY : Manatsara ny fiarahamiasa eo amin’ny samy firenena ny fifanarahana “CNUCC”
Tafiditra ao anatin’ireo firenena afrikanina voalohany nanao Sonia ny fifanarahan’ny Firenena Mikambana momba ny ady amin’ny kolikoly “CNUCC” i Madagasikara ny taona 2003. Araka ny angom-baovao, manamora ny fiarahamiasa eo amin’ny samy firenena io, indrindra amin’ireo karazana fandikan-dalàna iraisana firenena (na criminalité transnationale). Ho an’i Madagasikara manokana, isan’ireo tranga mateti-piseho ny momba ireo fanondranana Harena an-kibon’ny Tany an-tsokosoko, izay tsy tratra teto amintsika fa efa tany amin’ilay firenena andehanany, na andalovany vao tratra. Tsy vitsy ihany koa ireo tranga fampidirana an-tsokosoko entana azo avy amin’ny raharaha maloto avy any ivelany any eto amintsika. Ary matetika izy ireny dia voadio amin’ny alalan’ny famotsiambola, ka tsy misy amantarana azy intsony. Izany indrindra no maha zava-dehibe ny hiarahan’ny samy firenena nanao Sonia ny “CNUCC” miasa.
Eo amin’ny sehatra sosialy, ny fidiran’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly ho fampiharana ny “CNUCC” dia nahatonga fahatsarana teo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny fanajana ireo mpila raharaha sy ny sisa. Eo koa ny fametrahana tontolo milamina eo amin’ny lafiny fandraharahana.
Na tiana na tsy tiana kosa anefa, dia hiara-manaiky ny faharefoan’ny Andrimpanjakana eto amin’ny firenena noho ny resaka kolikoly. Ny tatitry ny Tahirimbola iraisampirenena (FMI) tamin’ny 2017 dia nanambara fa vokatry ny fitotonganan’ny fitantanana teto Madagasikara, mihena toy izany koa ny vola miditra amin’ny tsirairay, entina hilaza fa mifampiankina daholo tranga rehetra.




