Politika

FANGARAHARAN’NY FIFIDIANANA SENATERA: Hitondra fanazavana amin’ireo mpiara-miombona antoka ny Ceni

Misy sokajin’olona ankehitriny mitaky ny tokony handravana ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) amin’izao endriny izao, ary mangataka ny hametrahana birao vaovao indray handrafitra izany. Tsy misy afatsy ny tsy fatokisana ity rafitra misahana ny fifidianana ity no anton’izany, raha atao bango tokana. Etsy ankilany anefa, manamafy hatrany ny Ceni, amin’ny alalan’ny Filohany Hery Rakotomanana,  fa “miezaka ho mangarahara hatrany, na dia vidiana lafo aza izany fangaraharana izany indraindray”. “Ny CENI dia miezaka ho mahaleotena hatrany eo amin’ny fitantanana sy ny fandraisana fanapahankevitra. Indrindra indrindra, ny CENI dia manaja hatrany ny lalàna manan-kery sy ny lalàm-panorenana eo amin’ny zavatra rehetra izay ataony », hoy ny fanazavany. Nilaza ny Ceni fa mahare ireo karazana fanakianana sy fanehoan-kevitra mahakasika azy ireo ataon’ny olom-pirenena sy ireo antoko politika samihafa. “Efa manitsy izay tokony hahitsy izahay”, hoy ny Filohan’ny Ceni, ary miezaka ihany koa mitondra fanazavana amin’izay tokony hitondrana fanazavana. Eo anatrehan’izany, nilaza ny avy eo anivon’ny Ceni fa hamory ireo mpiara-miombon antoka rehetra eo amin’ny sehatra ifampidinihana, hanazavana izay tsy mazava rehetra manodidina ny fifidianana loholona. Rahampitso alarobia no hanaovana izay fihaonana izay, araka ny fanazavana. Izany rehetra izany dia fantatra nandritra ny fitokanana ny trano vaovaon’ny Ceni Faritra Vakinankaratra, omaly.  Ity trano izay natao hiasan’ny mpikambana amin’ny Ceni, ao amin’ny faritra sy ny eto amin’ny Distrikan’Antsirabe. Natao izany mba hahafahan’izy ireo miasa amin’ny araka ny tokony ho izy, mba hirindra sy hilamina ny zavatra izay atao, hoy ny Filohan’ny Ceni. “Ny hafatra dia mba ho tsara karakara sy ho tsara tantana ny tranontsika satria ny tsy mahakarakara dia mitovy amin’ny tsy manana”, hoy izy.

Fermer