Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANIMBANA FANANANA IOMBONANA: Efa 15 Taonina sahady ny vy very eny amin’ny lalambe migodana Antananarivo-Toamasina

Tranga fahita matetika amin’ny fanimbana ny fananana iombonana, indrindra ny fotodrafitrasan’ny lalana, ny fandikana ireo fetran’ny haavo sy vesatry ny fiara afaka mivezivezy. Eo ihany koa ny halatra «buses», vy, sy arofanina amin’ireo tetezana ka manamora ny fiforonan’ny lavaka. Fanesorana ireo mari-pamantarana isan-karazany, ary anariana rano sy fanasana fiara eny amin’ny arabe. Tsiahivina hatrany anefa fa voararan’ny lalàna no sady heloka bevava ny fanimbana sy fangalarana fotodrafitrasa, indrindra fa ny fananana iombonana. Mampigadra dimy ka hatramin’ny folo taona izany.

Mihamaro tato ho ato ny tranga fanimbana sy fangalarana manelingelina ny fanatanterahana ireo fotodrafitrasa lehibe. Voakasik’izany ireo tetikasa entin’ny Fitondram-panjakana na «projets présidentiels». Any Toamasina, ohatra, dia takelaka simenitra miisa 30 no efa simba eny amin’ny lalambe mikodana mampitohy ny RN2 sy ny seranan-tsambon’i Toamasina. Ambara fa antony mahatonga izany ny fandalovan’ny biby fiompy sy ny tsy fitandremana. Eto Antananarivo indray, lasibatra amin’izay fanimbanana fananana iombonana izay ihany koa ny lalambe mikodana Antananarivo-Toamasina. Efa nahatratra 15T ny vy very teny an-toerana. Vato nanaovana sosona fototra na “couche de base” ihany koa no nopotehina sy nangalarina eny amin’ny lalana mikodana Ivato-Ambohitrimanjaka. Raha ny zava-misy eny ifotony dia fikasana hanimba sy hanakana ny fandrosoan’ny asa mihitsy no hita ka mampiahiahy, hoy ny fampahafantaran’ny Ministeran’ny Asa Vaventy.

Manoloana ireo tranga ireo dia  miantso fiaraha-mientana sy fandraisana andraikitra avy amin’ny rehetra ny tompon’andraikitra ho fiarovana ireo fotodrafitrasa iombonana izay manan-danja amin’ny fampandrosoana. Notsiahivina ihany koa fa raràna tanteraka ny fidirana sy fivezivezena ao anatin’ny faritra iasan’ny orinasa raha tsy nahazo alalana, ka iangaviana ny rehetra hanaja izany.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer