PolitikaSongadim-baovao

FANITSIANA ISAN-TAONA NY LISI-PIFIDIANANA (RALE): Miisa 10 749 934 ireo mpifidy voasoratra anarana

Nifarana tanteraka ny 15 may 2022 teo ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy eto Madagasikara, araka ny voafaritry ny lalàna fehizoro 2018-008, tamin'ny 11 may 2018, mikasika ny fitondrana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka. Araka ny tatitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), dia niisa 500 829 ireo mpifidy fanampiny tafiditra anaty lisitra, ary 10 749 934 ny fitambaran’ireo mpifidy voasoratra anarana.

Araka ny andininy faha-39 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha-2018-008 mikasika ny fitondrana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 11 may 2018, dia mifarana tanteraka ny 15 may ny Fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny RALE.

Raha tsiahivina, niisa 10 512 419 ireo mpifidy voasoratra anarana tamin’ny RALE 2020-2021, niaraka tamin’ny taham-pisoratana anarana 1,26%. Taorian’ny fe-potoana fanavaozana ny 1 desambra 2021 hatramin’ny 15 may 2022 kosa (RALE 2021-2022), dia niakatra ho 10 749 934 ny isan’ireo mpifidy voasoratra anarana. Niisa 500 829 ireo mpifidy vaovao fanampiny, raha toa ka 263 314 ireo mpifidy noesorina. 2,26% kosa ny taham-pisoratana anarana.

Araka ny tatitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), dia ny Faritra Androy no nahitana taham-pisoratana anarana ambony indrindra (5,67%) ary ny Faritra Vatovavy kosa ny taha ambany indrindra (0,68%). “Na teo aza ireo olana samy hafa izay nolalovan’ny Ceni dia tsy nikely soroka izy hanatrarany ny vinany “Fifidianana azo antoka sy andraisan’ny rehetra anjara, antoky ny fitoniana sy filaminana”, hoy ny fampitam-baovao.

Fanavaozana manontolo

Tapitra ny 15 Mey teo ny fanitsiana isan-taona ny lisi-pifidianana, araka ny voafaritry ny lalàna. Amin’ity taona ity koa anefa, tsy maintsy hiroso amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana isika. Taorian’ny fandefasan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ny tolo-kevitra teo anivon’ny Governemanta mahakasika ny tokony hirosoana amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana (refonte totale de la liste éléctorale), dia nankatoavin’ny Filankevitry ny Governemanta, ny herinandro teo ny didim-panjakana mifehy izany. Heverina, araka izany, fa tsy ho ela dia hanomboka ity fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana ity. Raha tsiahivina, ny lalàna fehizoro laharana 2018-008 mifandraika indrindra amin’ny rafitra ankapobeny fifidianana, sy ny fitsapan-kevi-bahoaka dia milaza, fa « isaky ny folo taona no hanatanterahana ny fanavaozana ny rejisitry ny fifidianana io ». Ny taona 2012 no nisian’io fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana io teto, raha tsiahivina hatrany.

Fermer