Songadim-baovaoToekarena
FANJAKANA MALAGASY: Handray didim-panjakana momba ny famoahana sy famerenana vola vahiny
Antony iray mampihen-danja ny sandan’ny vola malagasy ny tsy famerenana vola vahiny ataon’ireo mpandraharaha mampiasa vola eto amintsika. Efa nisy ny ezaka goavana nataon’ny Fanjakana tamin’ny fananganana tahirim-bolamena teo anivon’ny Banky Foibe, izay efa nahitam-bokany ankehitriny. Tsy hijanona amin’izay anefa ny Governemanta, raha ny tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly, fa hiroso amin’ny fandraisana didim-panjakana mikasika ny fivoahan’ny “devises” sy ireo fepetra manokana momba ny famerenana eto Madagasikara ireo vola vahiny na “rapatriement de devises”, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola.
Araka ny fanazavana, ny lalàna manan-kery ankehitriny dia tsy mamaritra fetra farany ambony ny vola azo entin’ireo izay mivoaka any ivelan’I Madagasikara. Izany dia nahatonga fanararaotana, fanondranam-bola an-tsokosoko, “fuite de capitaux” ary nampiroborobo ny famotsiam-bola. “Hamahana izany olana izany sy hanatsarana ny fiarovana amin’ny fanondranam-bola, ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola dia nasaina hamolavola didy aman-dalàna ahafahana mifehy ny fivoahan’ny vola vahiny sy ahafahana miady amin’ny “fuite des capitaux”. Izany indrindra no antony nisian’ny vinavina hanavao ny “Circulaire relative aux allocations de devises n°0755/2018-MFB/SG/DGT/DOF/SFE du 30 Aout 2018 » izay havadika ho didim-panjakana”, hoy ny tatitry ny Filankevitry.
Fampodiana vola vahiny
Ankoatra izay, nivoitra nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly koa ny tokony hametrahan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola haingana volavolan-kevitra andraisana didy aman-dalàna iray hafa mikasika ny fampodiana vola vahiny. Ny tanjona dia hahafahana manatsara izany fampodiana vola vahiny izany sy haha mamari-pototra ny vola malagasy, dia ny Ariary.
Tsiahivina fa anisany lohahevitra niteraka resabe hatramin’ny fiandohan’ity taona ity ny tontolon’ny fanondranana volamena sy ny famerenana vola vahiny. Fantatra tokoa mantsy fa raha atambatra ny volamena nivoaka teto Madagasikara ny taona 2020, dia mahatratra 1, 900 taonina, ary ny 1%-n’ireo volamena ireo monja no mba nanaovana famerenana vola vahiny. Ireny rehetra ireny no nahatonga ny Fanjakana nandrara ny fanondranana volamena hatreto. “Tokony haha mari-toerana ny volantsika ireny vola vahiny ireny kanefa taraiky any ivelany”, hoy ny Filoha raha tsiahivina.




