PolitikaSongadim-baovao
FANJAKANA MALAGASY : Vonona hanamafy ny fiarahamiasa amin’i Arabie Saoudite
Tafiditra ao anatin’ireo firenena hanaovan’i Madagasikara fanondranana entana ny firenena Saodiana, isan’izany ny vokatra letisia izay ao anaty vanim-potoana fiakarany ankehitriny. Tsy izany ihany anefa, fa tsy vitsy ihany koa ireo teratany malagasy no misafidy ny hiasa any amin’ity firenena ity, noho ny hamaroan’ny tolotra misy any an-toerana. Midika izany fa misy fifamatorana ara-barotra maro eo amin’I Madagasikara sy Arabie Saoudite. Etsy ankilany, miseho amin’ny endrika maro ihany koa ny fiarahamiasa eo amin’ny firenena roa tonta raha ny eto amintsika no asian-teny. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny tetikasa samihafa mahakasika ny angovo sy ny fotodrafitrasa ary ny fanamboaran-dalana izay vatsian’ny banky Saodiana momba ny fampandrosoana vola, ny fanampiana mitentina 370 tapitrisa dolara teo amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny famatsiana 500.000 dolara ho an’ny ady tamin’ny valanaretina covid-19.
Fihaonana tamin’ny Praiminisitra
Ho fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy ny Fanjakan’i Arabie Saoudite dia haorina tsy ho ela eto amintsika ny foiben-toerana masoivohon’ity firenena ity. Fantatra izany nandritra ny fandraisan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, tao amin’ny Lapam-panjakan’i Mahazoarivo omaly maraina, ny delegasiona avy any Arabie Saoudite, izay notarihin’ny minisitra Saodiana eo anivon’ny raharaham-bahiny miandraikitra an’i Afrika, Andriamatoa Ahmad Bin Abdulaziz Kattan. Io fotoana omaly io no nanararaotan’Andriamatoa Ahmad Bin Abdulaziz Kattan hampahafantarana ny toerana misy an’i Arabie Saoudite sy ny fifandraisany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra aty amin’ny faritr’i Afrika, ka nitondrany fanazavana momba ny ezaka ataon’ny fireneny mba tsy hisian’ny fitotongananan’ny solika eran-tany. Teo anatrehan’izany, nankasitraka ity fitsidihana ara-pomba fifanajana narahina fiarahabana avy amin’ny mpanjaka Saodiana ity ny Praiminisitra, ary naneho ny fahavononan’ny fitondram-panjakàna Malagasy hisokatra mandrakariva amin’izay lalana ahafahana mampivelatra sy manatsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.




