Songadim-baovaoToekarena

FANJAKANA MANAKAIKY VAHOAKA: Hapetraka ny birao ifoton’ny harena an-kibon’ny tany (BAM) ao Maintirano

Na dia tafiditra ao anatin’ireo distrika manana karazana harena an-kibon’ny tany maro aza i Maintirano, dia tsy hita taratra loatra amin’ny fandrosoan’ny tanàna izany noho ny mbola tsy fidiran’ireo mpisehatra sy mpandraharaha amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Mifanindran-dalana amin’ny fampanarahan-dalàna azy ireo indrindra, dia hapetraka amin’ity taona ity any an-toerana ny “Bureau d’Administration Minière” (BAM), izay hisy ireo sampan-draharahan’ny Harena an-kibon’ny tany isan-karazany.

Manana harena an-kibon’ny tany maro ny Faritra Melaky fa ny karazana vatosoa « Agathe » no tena mampalaza azy. Amin’ny ankapobeny dia vinaina ho 150 taonina  eo ho eo no mivoaka ny Seranantsambon’i Maintirano isam-bolana. Midika izany fa fanoitra iray lehibe hahafahana mampandroso ny toekaren’ny Distrikan’i Maintirano sy ny Faritra Melaky ny sehatry ny Harena an-kibon’ny Tany, anisany sakana anefa hatreto ny firoborobon’ireo mpisehatra tsy anatin’ny tontolon’ny ara-dalàna. Izany indrindra no nahatonga ny fitsidihan’ny Ministry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena strataejika,  Andriamatoa Ravokatra Fidiniavo sy ny mpiara-miasa aminy ny Zoma teo.

Nambaran’ny Ministra fa anisan’ny Distrika hametrahana Birao ifoton’ny harena an-kibon’ny tany na « Bureau d’Administration Minière » (BAM) ny ao Maintirano amin’ity taona 2021 ity. Eo amin’ny Fokontany Ambararatakely – Maintirano,  mifanila aminy « campus universitaire » sy ny Biraon’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana Lovainjafy no hametrahana io BAM io izay ahitana ny sampandraharahan’ny harena an-kibon’ny tany rehetra : BCMM,  ANOR,  …. Izany dia tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Fanjakana « manakaiky vahoaka », araka ny fanambarany. Nijery ny toerana hametrahana io birao ao Maintirano io ny delegasiona notarihin’Andriamatoa Ravokatra Fidiniavo niaraka tamin’ny tomponandraiki-panjakana notarihin’ny Governoran’ny Faritra Melaky,  Andriamatoa  Ratsitohara Patrick. Nilaza ny Ministra tomponandraikitra fa  » ho vitaina mialoha ny faran’ny taona io fotodrafitrasa vaovao io ».

Mpitrandraka: tsy ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna ny 99%

Araka ny fanazavana, manodidina ny 2000 ireo mpitrandraka ao an-toerana,  ahitana teratany malagasy sy teratany sinoa saingy tsy misy ao anatin’ny sehatra ara-dalàna avokoa ny 99% amin’ireo milaza ho mpitandraka ireo, raha ny nohamafisin’ireo tomponandraiki-panjakana sy olomboafidy ao amin’ny Distrikan’i Maintirano. Etsy an-kilany,  tsy mahazo tombony avy amin’ireo harena ao aminy  ny mponina,  tsy misy ihany koa ny tamberim-bidy miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Noho izany indrindra, nanatanteraka fihaonana tamin’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny vatosoa ny Ministra Ravokatra Fidiniavo,  fotoana izay nifanankalozana sy nihainoana azy ireo mba ahafahana mitondra vahaolana. Taorian’ny fihaonana dia nilaza ny Minisitra fa omena fe-potoana ireo mpandraharaha tsy an-kanavaka misehatra amin’ny fitrandrahana vatosoa ao amin’ny Faritra Melaky mba hiditra amin’ny ara-dalàna. Niantso ny tomponandraikitra ara-panjakana ao an-toerana koa ny Ministra Ravokatra Fidiniavo mba ho anatin’ny ara-dalàna sy ara-drariny hatrany ny fepetra rehetra raisina mba hialana amin’ny savorovoro sy tsy fifankahazoan-kevitra.

Nandritra ity fandalovany tao Miantirano ity dia nitsidika ny seranantsambon’i Maintirano ny Minisitra, nijery ny fomba fiasa sy ny fepetra amin’ny fitaterana ireo vato mivoaka ny Faritra Melaky.

Eo am-piandrasana ny fijoroan’ny BAM Maintirano dia « hafainganina ny fametrahana Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika ao amin’ny Faritra Melaky », araka ny nambaran’ny Ministra. Marihana fa amin’izao fotoana izao dia mbola ao Boeny ny Fitaleavana iraisam-paritra ho an’i Boeny, Betsiboka, Sofia ary Melaky ka mampanano-sarotra ny fikarakarana taratasy ho an’ny mpila raharaha amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany amin’ireo Faritra ireo.
Fermer