PolitikaSongadim-baovao
FANKALAZANA NY FAHA-80 TAON’NY ONU : Nanakoako ny antso ho an’ny filaminana sy fandriampahalemana
Nigadona omaly ao New York, Etazonia, ny Filoha Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny, Mialy Rajoelina. Ny fandraisana anjara amin’ny Fivoriambe faha 80 ny Firenena Mikambana (ONU), no anton-diany amin’izany. Ity fivoriana ity izay ambohi-pihaonan’ireo Filoham-panjakana sy ireo lehibena governementa an’ireo firenena 193, izay mikambana ao amin’ny ONU. Manomboka anio, ka haharitra hatramin’ny 26 septambra izao izany. “Mieux ensemble : 80 ans et plus pour la paix, le developpement et les droits de l’Homme”, izay azo adika amin’ny teny malagasy hoe : “Mahomby miaraka : 80 taona nametrahana fandriampahalemana, nikatsahana ny fampandrosoana sy nilofosana ho an’ny fampanajana ny zon’olombelona”, no lohahevitra nosafidiana ho an’ity andiany faha 80-n’ny Fivoriambe an’ny ONU ity.
Mialohan’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, ny Fivoriambe anio, dia nanamarika ny andro omaly, ny fankalazana ny faha 80 taona nijoroan’ny Firenena Mikambana. Nisolo tena an’i Madagasikara nanatrika ny lanonana notontosaina ny maraina teo, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Razafinjato Aurélie, sy ny Mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblika misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, Rajoelina Patrick, ary ny masoivoihon’i Madagasikara ao Etazonia, Rakotomalala Lantosoa. Nanakoako nandritra izany lanonam-pankalazana izany, ny antso ho an’ny filaminana sy fandriam-pahalemana, ary koa ny antso ho an’ny firaisan-kina.
Firenena 51 nanao sonia…
Ny 24 oktobra 1945 no niforonan’ny ONU taorian’ny fanaovana firenena miisa 51 sonia ny “Charte des Nations Unies”. Ny mba hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena rehetra hametrahana filamina sy fandriampahalemana maharitra maneran-tany no tanjona teo. Rehefa nandeha ny fotoana dia niampy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izany tanjona manoloana ireo tanjona sy ambana iraisana. Ny 20 septambra 1960 kosa i Madagasikara no niditra ho mpikambana ao amin’ny ONU. Izany hoe, vantany vao nahazo ny fahaleovantenany. Porofo izany, fa vao niandoha dia vonona ny hitondra ny anjara birikiny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Repoblikan’i Madagasikara.
Hitondra ny tenin’ny SADC…
Amin’ity Fivoriambe faha 80 ny ONU ity dia ankoatra ny maha Filoham-pirenena Malagasy azy, dia amin’ny maha Filohan’ny SADC azy koa, no andraisan’ny Filoha Andry Rajoelina anjara. Ivon’izany fandraisana anjara izany, ny kabary izay hataony manoloana ny Fivoriambe, rahampitso alarobia 24 septambra izao. Hitondra ny feon’ny Malagasy, fa ihany koa hitondra ny feon’ireo firenena amin’ny faritra Atsimon’ny Afrika amin’izay lahateny izany. Isan’ireo ambana iraisan’izay tontolo izao, ary misy fiantraikany amin’i Madagasikara ny voka-dratsy aterak’ireo ady sy fifandrafiana ara-barotra eo amin’ny vidin’entana amin’ny tsena iraisam-pirenena. Toraka izany koa, ny fiovaovan’ny toetrandro. Tao anatin’ny lahateniny dia notsiahivin’i Antonio Guterres fa soatoavina niraisan’ireo nanorina ny ONU ny hoe, ny firaisan-kinan’ireo firenen-drehetra no hany lalana ahafaha-miatrika sy mandresy ireo ambana iraisana. I Madagasikara rahateo, amin’ny alalan’ny Filoha Andry Rajoelina, dia isan’ireo firenena tsy sasatry ny miantso ho an’ny firaisan-kina sy fiaraha misalahy, ary ny fifampiresahana sy fitadiavana marimaritra iraisana hatrany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mba hanjakan’ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana.
Rado Harivelo




