Songadim-baovaoSosialy
FANKALAZANA NY NOELY : Haharitra efarana ny seho eny amin’ny Kianja Masoandro
« Noelin’ny Fitia » ! Anisan’ny hetsika nenti-nankalazana ny Noely amin’ity taona 2024 ity. Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fanokafana ny seho tanterahina eny amin’ny Kianja Masoandro, eny amin’ny Rovan’i Madagasikara, dia Ramatoa Mialy Rajoelina no isan’ny nikarakara ireo jiro, izay mandeha eny amin’ny Zaridainan’Ambohijatovo. « Hifampizara fitiavana, hifampizara hafaliana isika. Mandritra ny efatra andro no hanatontosana ny « concert de Noël » eto. Ny fanirianay mivady dia ny ankalazan’ny fianakaviana rehetra, ny ankizy rehetra ny Noely, ao anatin’ny fifaliana sy fitoniana avokoa », hoy hatrany ny Filoha, nandritra ny fanokafana izany, ny sabotsy lasa teo. Mandritra ireo seho miavaka tontosaina ao amin’ny kianja Masoandro ao anatin’ny Rovan’i Madagasikara ny 21, 22, 23, 24 desambra ho avy izao, dia manomboka amin’ny 7 ora hariva ary ho azon’ny besinimaro atrehana, amin’ny alalan’ny fifidianana ny tapakila mialoha ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy.
Rado Harivelo




