Songadim-baovaoSosialy
FANKALAZANA TSINGERIN-TAONA TETSY IMERINKASININA : Tafakatra 12 ireo maty vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo
Nandritra ny fankalazana ny faha-18 taona ana ankizivavy iray, natao tetsy amin’ny « Espace » iray eo Ambohimalaza, amin’ny sampanana mankany Imerinkasinina no nitrangana fanapoizinana ara-tsakafo. Tafakatra 12 ireo namoy ny ainy, hatry ny omaly. Voatery nakaton’ny Fanjakana vonjimaika ilay toerana. Fanadihadiana…
Nandritra ny fankalazana ny faha-18 taona ana ankizivavy iray, natao tetsy amin’ny « Espace » iray eo Ambohimalaza, amin’ny sampanana mankany Imerinkasinina no nitrangana fanapoizinana ara-tsakafo. Ny sabotsy tamin’ny 5 ora hariva no nanomboka ny fety. Ankizy mpiara-mianatra amina sekoly ambony iray avokoa ny ankabeazan’izy ireo, izay manodidina ny 16 taona ka hatramin’ny 21 taona. Raha ny nambaran’ny renim-pianakaviana iray, dia efa nisy ankizy iray no tratran’ny fanapoizinana ara-tsakafo voalohany io, ka nentina teny amin’ny dokotera, kanefa nitohy ny nandoa sy nilaza fa tsy nahita ny masony ary niraikitra ny lelany. Voatery nentina ho any amin’ny hopitaly, saingy teny an-dalana no namoy ny ainy. Nitontohitra ireo namoy ny ainy, ka tafakatra 12 izany hatry ny omaly. Raha ny fanazavan’ilay renin’ilay ankizivavy nankalaza ny tsingerintaona faha-18 taonany io fa «mpanao sakafo na « traiteur » miisa roa no nalain’ny fianakaviana nanao sakafo, nandritra ny lanonana fankalazana ny tsingerintaonan’ny zanany io. « Olona hafa no nanao ny sakafo raha toa ka hafa koa no nanao ny « cocktail », hoy ireo fianakaviana tompon’ny fety ka any amin’ny « cocktail » no ahin’izy ireo ho nitarika ny fahafatesana sy ny aretina. Milaza ny hitory ny mpanao sakafo ry zareo, satria ny iray tamin’ireo olona nalaina, dia olona mbola tsy mpikarakara ny sakafo ao amin-dry zareo.
Mitovy daholo ny soratr’aretina…
Sempotra, fanina ary mandoa sy miraiki-dela ary tsy mahita ny maso ny soratr’aretina niseho tamin’ireo olona tratran’ny fanapoizinana ara-tsakafo ireo. Ireo mbola tao amin’ny fety no efa nisy nanomboka nitaraina tsy_mahita tampoka ny maso ary koa fanina, ankoatra ilay iray voalohany, izay namoy ny ainy teny an-dalana. Manodidina ny 50 no ho mihoatra ireo nanatrika ity fankalazana ny tsingerintaona nahaterahana ity. Olona telo tamin’ireo nanatrika no tsy naninona, izay tsy nihinana sakafo. Ny tovolahy anankiray moa, dia ny fisotroana no tena nimasoany, fa tsy tany amin’ny sakafo, izay nanavotra azy, raha nindaosiny fahafatesana ny namany. Ao anatin’ny manaraka fitsaboana ilay tovovavikely nankalaza tsingerintaona, izay efa tsy misy ahina ny fahasalamany na dia mbola niraikitra aza ny lelany niresaka, omaly maraina.
Anaovana fitsirihana ireo sakafo sy akora mampiahiahy
« Ny fitsirihana ataon’ireo laboratoara no hamaritra ny fisiana fanapoizinana avy amin’ny kalitaon’ny sakafo, » hoy ny fanazavana nentin’ny Tale misahana ny fiarovana ny mpanjifa eo anivon’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (MIC), Ravelonarivo Ando. Araka izany, efa nanokatra ny fanadihadiana amin’izay manandrify azy io Ministera io, raha ny tatitra nampitain’izy ireo, omaly hariva. Ireo sakafo na akora rehetra izay nampiasaina tamin’io fotoana io ka mampiahiahy dia anaovana fanadihadiana avokoa. “Raha sanatria ka sakafo simba, na lany daty, na nampiasaina nafangaro tsy ampiheverana dia mety hiteraka fahavoazana ho an’ny mpanjifa. Miroso avy hatrany amin’ny fanagiazana na “saisie” ny Fanjakana”, hoy ny fanazavana. Na izany aza, ny heloka ara-barotra izay niteraka fahafatesana dia miditra avy hatrany eny amin’ny fitsarana ary ny fanadihadiana lalina no hamaritra ny tohiny, hoy hatrany ny Tale misahana ny fiarovana ny mpanjifa eo anivon’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra. Ao anatin’ity tranga ity moa dia nanambara ny MIC fa mifanolo-tanana hatrany amin’ireo departemanta ministerialy hafa voakasika amin’ny fanatanterahana ny fanadihadiana.
Fanakatonana vonjimaika ilay trano fandraisam-bahiny
Rehefa nahafantatra ny fisian’io tranga teny Ambohimalaza io dia nanatanteraka fitsirihana teny amin’ilay trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana nanaovana ny lanonana koa, ny Minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana, omaly maraina. Fantatra tamin’izany fa tsy nanana taratasy fahazoan-dalana hanao ny asa fandraisam-bahiny sy fampisakafoana ilay toerana voakasika. Mba hialana amin’ny mety hiverenan’ny tranga sy hitandroana ny fahasalamam-bahoaka, araka izany, dia fepetra noraisina ny fanakatonana vonjimaika ilay toerana, mandra-pamoahana ny fepetra raikitra. Io fepetra raikitra io, izay miankina amin’ny vokatry ny fanadihadiana, manaraka ny paikady voatondron’ny didy aman-dalàna manan-kery mifandraika amin’izany.
Nangonin’i Pierre M. sy Sarobidy Sidonie.



