PolitikaSongadim-baovao
FANODINKODINAM-BOLAM-PANJAKANA : Refesin’i Maharante Jean de Dieu ny Bianco
Fampiantsoana indroa miantoana no efa nataon’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly (Bianco) an’i Maharante Jean de Dieu noho ny raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana izay mahavoasaringotra azy, kanefa tsy nipoitra izy. Ankehitriny, fantatra fa hanao hetsika fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2023 ny tenany ato ho ato, any Toliara. Andrasana, araka izany, ny fandraisana fepetra sy fampiharana ny lalàna aminy.
Mandrefy ny Bianco tanteraka ingahy Maharante Jean de Dieu. Araka ny fantatra, efa indroa miantoana ny teo anivon’ity rafitra miady amin’ny kolikoly ity no nampiantso azy noho ny raharaha ny fanodinkodinana vola 5 miliara ariary tao amin’ny ARTEC, fony izy nisahana ny andraikitra maha Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampandrosoana ny Nomerika azy. Nialohan’ny nandehanany tany Frantsa ny taona 2019 no nisian’izany raharaha izany. Ny taratasy fampiantsoana ny datin’ny 31 Aogositra 2022 no nampiantso azy ho henoina ny 05 Septambra 2022. Tsy tonga namaly izany anefa izy.
Amin’ny alahady 12 Febroary 2023 izao, fantatra fa hanao hetsika fifampiarahabana nahatratra ny taona 2023 any Toliara ity mpanao politika ity. Izany hoe, vonona hiseho imasom-bahoaka, toa tsy misy raharaha hanenjehana azy mihitsy ingahy Maharante Jean de Dieu. Mipetraka, noho izany, ny fanontaniana hoe inona no sakana tsy isamboran’ny Mpitandro filaminana azy? Mandrapaha oviana no havela hanjaka ny tsimatimanota? Tsiahivina fa nisy koa ny raharaha tsenambaro-panjakana noforonina mitentina 700 tapitrisa ariary, izay mifandraika amin’ny fanomezana fitaovana informatika ny « Centre” ao Fianarantsoa, izay mbola nahavoasaringotra azy koa. Niainga tamin’ny fanadihadiana lalina nataon’ny “Inspection Générale de l’Etat” no nahatrarana ireo trangana tsy fanarahan-dalàna ireo, araka ny fanazavana.
Tsy mahataitra ny Depiote…
Tsara ho fantatra fa ireo raharaha mahakasika an’i Maharante Jean de Dieu ireo dia tafiditra ao anatin’ireo dosie 12 efa vita fanadihadian’ny Vaomieran’ny fiampangana eo anoloan’ny Fitsarana Avo (HCJ), eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Hatramin’ny fivoriana ara-potoana farany teo anefa, dia mbola tsy tapa-kevitra ny handray fepetra momba ireo dosie ireo ny Solombavambahoaka. Zara fa misy Depiote 20 no tonga isaky ny raharaha fiampangana eo anoloan’ny HCJ no lahadinika eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Tsy resy lahatra hanenjika ireo olona ambony izay nanao ny tsy nety teto amin’ny Firenena ve ny Depiote? Ny lalàna mifehy ny Fitsarana Avo ihany anefa no mamaritra fa tsy maintsy mandalo fankatoavan’ny Solombavambahoaka maro an’isa ny fanenjehana olona ambony iray na tsia eto amin’ny Firenena.
Tsiahivina fa efa nisy ny didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara na IST ho an’i Maharante Jean de Dieu.




