PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FANODINKODINANA “COCAÏNE” 200KG TAO NOSY BE: Zandary 07 miampy sivily 04 nidoboka eny Tsiafahy sy Antanimora
Olona efatra tamin’ireo voarohirohy miisa 15 tanatin’ilay raharaha fanodinkodinana zava-mahadomelina mahery vaika tany Nosy Be, no tsy nandalo famotorana teo anatrehan’ny Fampanoavana. Ireo 11 niatrika fampanoavana araka izany, dia natao am-ponja vonjimaika avokoa, eny Tsiafahy sy Antanimora. Mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana mikasika ity raharaha ity…
Olona miisa 15 no voarohirohy sy niatrika ny Fampanoavan’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC) Antananarivo, tao anatin’ilay raharaha fanodinkodinana zava-mahadomelina mahery vaika “cocaines” efa voageja tany Nosy Be. Zandary ny 08 tamin’izany, izay ahitana ny kaomandin’ny kaompania ao Nosy Be sy ny kaomandin’ny borigady ao Dzamandzar. Ny iray tamin’izy ireo no tsy niakatra teo anatrehan’ny Fampanoavana nandritra ny famotorana, raha voalaza fa narary sy nandalo fandidiana. Ankoatr’ireo ny olon-tsotra miisa 07, ka ny 02 tamin’ireo no voalaza fa nitsoaka ary mbola tsy hita, ary ny iray tsy voalaza mazava. Naharitra ora maro ny famotorana ireo voampanga tonga teo anatrehan’ny Fampanoavan’ny PAC Antananarivo, ary tsy nifarana izany raha tsy tamin’ny 04 ora maraina, raha ny fampitam-baovao. Raha ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotoran’ny PAC anefa, dia naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona 11 nandalo famotorana, izay nahitana zandary sy olon-tsotra, ka ny 08 eny Tsiafahy, ary 03 eny Antanimora, ahitana vehivavy.
Raha ny fiampangana ny kaomandin’ny kaompania zandary ao Nosy be, miampy zandary hafa 06, dia noho ny fanararaotam-pahefana tamin’ny fanodinkodinana zava-mahadomelina mahery vaika “Cocaines” efa voageja kanefa tokony ho nodorana. Fanaovana “trafic de drogue à haute risque”, miampy fihazonana sy fampiasana ny vokatry ny “trafic de drogue”, ary fidirana anaty tambazotran-jiolahy miampy fanaovana famotsiam-bola. Ny kaomandin’ny borigady zandary ao Dzamandzar, izay voampanga ho nanao kolikoly “fitakiana 20.000.000 Ariary” mba tsy hanenjehana olona iray, fidirana anaty fikambanan-jiolahy ary fanaovana famotsiam-bola. Olon-tsotra iray voampanga ho nitondra basy tsy misy taratasy ara-dalàna. Olon-tsotra miisa 06 hafa samy voampanga ho nanao “trafic de drogue à haut risque”, miampy fihazonana sy fampiasana ny vokatry ny “trafic de drogue” ary fidirana anaty fikambanan-jiolahy sy fahazoana tombontsoa tamin’ny fanararaotam-pahefana, ary fanaovana famotsiam-bola.
Raha ny fepetra noraisina tao anatin’izany, ny alatsinainy 10 martsa 2025 lasa teo, dia nalefa teo anivon’ny Mpitsara mpanao famotorana ny raharaha. Ny Fampanoavana izay nitaky ny fampidirana am-ponja vonjimaika an’ireo voarohirohy, eny Tsiafahy ho an’ny lehilahy, ary eny Antanimora ho an’ny vehivavy. Ankoatra ny vesatra niampangana ny tsirairay, dia fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana mba tsy hisian’ny fifaneraserana amin’ny voampanga sasany sy mba tsy hisian’ny fitohizan’ny heloka ary hiantohana ny fisehoan’izy ireo eo amin’ny fitsarana. Mitohy hatrany ny famotorana ny raharaha.
Ny Fanoratana.




