PolitikaSongadim-baovao

FANODINKODINANA SOLIKA 1 950 000 LITATRA : Mpiasan’ny Jirama telo naiditra am-ponja, mitohy ny fanadihadiana

Taorian’ny fandalovan’ireo mpiasan’ny Jirama miisa 12 teo anoloan’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny Kolikoly na ny PAC, dia fantatra fa nidoboka eny Antanimora avy hatrany ny telo tamin’izy ireo, raha toa ka nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny sivy ambiny. Raharaha naha voasaringotra azy ireo ilay halatra solika 1, 950 tapitrisa litatra teo anivon’ny Jirama.

Olona miisa 12 no fantatra fa voarohirohy ho isan’ireo tompon’antoka tamin’ny raharaha fanodinkodinana solika hatramin’ny 1 950 000 litatra, izay tokony hampihodinana ny Vondrona mpihary herinaratra eo anivon’ny Jirama. Ny zoma teo no natao fanadihadiana teo anoloan’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (PAC) ireo olona ireo, raha toa ka efa andro maromaro no tokony ho nirosoana tamin’izany saingy tsy tontosa, noho ny fitokonan’ny mpirakidraharahan’ny Fitsarana. Ny alin’ny zoma, araka izany, no nivoaka ny didy nampiditra am-ponja vonjimaika ny telo amin’ireo mpiasan’ny Jirama ireo, izay nisy ny “chef magasinier”, ny “chef d’usine”, ary ny DRI, araka ny angom-baovao. Ireo sivy ambiny kosa dia nahazo fahafahana vonjimaika avokoa, ary eo ambany fanarahamason’ny Fitsarana. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpiambina, sy ny mpamily. Araka ny loharanom-baovao, dia mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity, ary misy olona ahiahiana mety mbola hohadihadiana.

Mampiahiahy!

Tsara marihina fa tafiditra ao anatin’ny ezaka fanadiovana ny Orinasa Jirama ny fahatrarana ity halatra solika goavana ity. Raha tsiahivina, dia halatra solika faharoa sarona teo anivon’ny Jirama ity tratra ity, taorian’ilay 64 000 litatra very teny amin’ny toby famokarana herinaratra teny Ambohimanambola, tamin’ny fiafaran’ny enimbolana voalohany tamin’ity taona ity. Tsy mbola re tsaika hatreto ny tohin’iny raharaha iny. Raha jerena kosa ny habetsahan’ireo solika voahodinkodina eo anivon’ity orinasa ity, dia mampanahy ny mety hisiana tambajotra goavana ao ambadika. Ao anatin’ny enim-bolana no hahavitana manodina solika aman-tapitrisa litatra. Sao misy tomponandraikitra ambony ao ambadika? Ny tohin’ny fanadihadiana no hamaritra an’izany. Antenaina ny hivoahan’ny marina, satria hatreto, dia ny vahoaka hatrany no mibaby ny vokany amin’ny fahatapahan-jiro sy ny tolotra tsizarizary avy amin’ny Jirama.

Randriah.

Fermer