PolitikaSongadim-baovao

FANOFANANA MPITSARA SY MPIRAKI-DRAHARAHA/ Mivalampatra kokoa ny ara-moraly sy etika ary deontolojia

Mivalampatra kokoa ny fanofanana ara-moraly sy ara-tekika ary deontolojia hanofanana ireo Mpitsara sy Mpiraki-draharaha eo anivon’ny Sekolim-pirenena manofana Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG), manoloana ny ady amin’ny kolikoly apetraky ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana. Nivoaka ny andiany “Kanty”, izay ahitana Mpitsara sy Mpiraki-draharaha miisa 100…

Fantatra, fa ny kolikoly no tena manimba ny resaka fitsarana, izay anisany nahatonga ny vina fahaefatry ny Fitondram-panjakana, milaza “Ady amin’ny kolikoly”. Mifototra amin’izany vina izany ny fampianarana ifotoran’ireo toko telo voalaza eo anivon’ny Sekolim-pirenena manofana Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG), hoy ny Taleny, Ramarolahihaingonirainy Anthony. Teo am-pamoahana ny andiany indray mihira “Kanty”, omaly, teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy, kosa, no nilazan’ny Minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, fa afaka mbola mandinika sy mieritreritra tsara ny ho avy mamiratra ireto vao nivoaka hisehatra eo anivon’ny fitsarana. Hanana toe-tsaina miady amin’ny kolikoly, ary tsy hisaina afa-tsy ny hoe “karama dia ampy fa io no hitahian’Andriamanitra anao”. Tsy tokony hijerena an’iza na iza ny fampiharan-dalàna, hoy ny Minisitra, fa ny Mpitsara amin’ny maha manam-pahaizana ara-dalàna azy dia afaka mandinika amin’ny toe-tsaina sy toe-po mahitsy sy mijoro amin’ny fahamarinana. “Tsy hijerena hafana na namana sy olom-pantatra ny fitsarana, afa-tsy ny ara-drariny sy ny hitsiny”.

Ny famolavolana mpianatra ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha dia mandritra ny 02 taona. Mandritra ny 09 volana monja izy ireo no miatrika ny an-tsoratra, ary ny ambiny, izany hoe ny 15 volana dia hiseharana manontolo eny amin’ny fitsarana na ny “stage”. Izany dia hahafahan’izy ireo mahazo ny traikefa rehetra tokony hananana amin’ny fanaovana ny asam-pitsarana. Marihina, fa ireo tanora miditra ho mpifaninana sy voaray hiofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha dia efa nanovo fahalalana teny amin’ny Anjerimanontolo avokoa, teo amin’ny taranja Lalàna, izay heverina fa efa mahafehy kokoa ny resaka lalàna, ary ny ao amin’ny sekoly kosa, dia natao fianarana asa fotsiny ihany, izay heverina ho ampy ny amin’ny fotoam-panofanana azy ireo roa taona. Eo am-perinasa kosa indray izy ireo, no manamafy sy manatevina ny fahalalana, ankoatry ny tany an-tsekoly.

Raha ny Sata mifehy ny mpitsara dia manomboka ny 19 ka hatramin’ny 40 taona no afaka miditra ao amin’ny tontolon’ny fitsarana, raha ny nomarihan’ny Talen’ny Sekolim-pirenena manofana Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG). Fantatra, fa mbola kely ny ankizy amin’izao dia efa afaka bakalorea, miditra eny amin’ny anjerimanontolo mahazo ny “maîtrise” ary afaka avy hatrany amin’ny fifaninanana hidirana eny amin’ny sekoly ENMG. Araka izany, 24 ka hatramin’ny 25 taona eo dia efa ahitana mpitsara sy mpiraki-draharaha tafiditra anatin’ny sehatry ny fitsarana. An-kilan’izay anefa, mbola maro amin’ireo tanora vao nivoaka no mbola miankin-doha amin’ny Ray aman-dreniny ka sahirana rehefa tonga ny fametrahan-toerana hiasana. Izy ireo anefa, tany am-piandohan’ny fiofanana dia efa nasaina nanao karazana fanekena fa rehefa vita fianarana dia tsy maintsy mandeha any amin’izay toerana hanendrena azy tsirairay. Manoloana izany, tsy azo heverina ny hampisy olana ny fandraisan’asa ho an’ireo mpitsara vaovao. Amin’izao fotoana dia toeram-pitsarana miisa 46 no misy manerana an’i Madagasikara, ary mbola hitombo 06 izany hatramin’ny faran’ny taona 2025. Omaly no notanterahina ny lanonana ara-pitsarana namoahana ny Mpitsara sy Mpiraki-draharaha vao avy nahavita fiofanana miisa 100, nivoaka tamin’ny andiany indray mihira “Kanty”. Izy ireo izay mitsinjara 60 hisahana ny ara-pitsarana (Judiciaire), ny 20 hisahana ny ady hifanolanana amin’ny Fanjakana (Administrative), ary 20 hisahana ny ady ara-bola (Financier). Nozaraina diplaoma avokoa izy 100 mianadahy.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer