Songadim-baovao
FANOHANANA NY ADY AMIN’NY TSY FANDRIAMPAHALEMANA : Notoloran’ny “Assist Aviation” fiaramanidina ny Zandary
Nanolotra fiaramanidina "CESSNA F337E" ho an'ny Zandarimariam-pirenena ny Vondrona "Assist Aviation" tetsy Ivato, ny 30 novambra 2020. Tonga nandray izany fiaramanidina izany ny Jeneraly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria (SEG), notronin'ireo Tomponandraikitra ambony eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena. Nanolotra ny fiaramanidina kosa, Ramatoa Mihaja Moyon, Filohan'ny "Assist Fondation" sy Atoa Régis Mougin, Tale jeneralin'ny "Assist Aviation"…

Notanterahina omaly teny Ivato ny fanoloran’ny Assist Aviation ny fanolorana fiaramanidina ho an’ny Zandarimariam-pirenena. “Efa ela no fanirian’ity orinasa ity ny hanome io fiaramanidina io, saingy noho ny toe-draharaha eto amin’ny Firenena vokatry ny “Hamehana ara-pahasalamana”, izay vao tanteraka izany. Isaorana lehibe ny avy amin’ny Assist Aviation, fa marika hita maso izao fanolorana izao, indrindra amin’ny fanohanana momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Mila fanohanana tokoa izany asa izany satria ny asan’ny Zandary, dia asa mihatra aman’aina”, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Ravalomanana Richard. Raha ny volana novambra nivalona iny, dia efa nahatratra 11 ireo zandary nodimandry, ka ny dimy tamin’ireo dia tamin’ny fifandonana tamin’ny dahalo avokoa. Ny fanohanana amin’ny alalan’izao fihetsika izao, dia hery lehibe ho an’ny Zandarimaria, amin’ny fiatrehana ny adidy aman’andraikitra mifanandrify aminy, dia ny fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany. Natao hanaraha-maso ny sisin-tany io fiaramanidina io, ary ampiasaina amin’ny fanenjehana dahalo sy hanampiana amin’ny resaka vonjy aina koa.

Nambaran’ny Tale jeneralin’ny Assist Group, Mihaja Moyon fa “ny mampiavaka ny fiaramanidina “Cessna F 337 E” nomena io dia natao hanaraha-maso ny sisintany. Noho ny fiaraha-miasan’ny “Assist group” hatramin’izay niaraka tamin’ny Foloalindahy, dia nanapa-kevitra ny hanolotra io fiaramanidina io, ho an’ny Zandary, mba hiatrehan’izy ireo ny asany amin’ny fiarovana ny ain’ny vahoaka”. Mahazaka olona enina ity fiaramanidina ity, ary anankiroa ny maoterany. Efa misy maotera miisa efatra kosa, natao fiandry. Tombanana eo amin’ny 2000 ora eo no sidina nataon’io fiaramanidina io, ary mandeha ara-dalàna.



