Songadim-baovaoSosialy

FANOHANANA NY MPIARA-BELONA: Manao tohivakana ny fanampiana avy amin’ny Fikambanana “AFF”

Tsy misy andro iray tsy hanaovan-tsoa ho an’ny fikambanana AFF na “Andry sy Fototra ho an’ny Fampandrosoana”. Ny fanampiana ireo mponina sy mpiara-belona eny ifotony rahateo no himasoan’izy ireo, araka ny foto-kevitra hijoroany mifandrika amin’ny “fijery ifotony, Malagasy mandroso”. Manao ranolava, araka izany, ny fanolorana fanampiana maimaimpoana avy amin’ny fikambanana AFF. Tato anatin’ny herinandro izao, samy nisitraka tombontsoa avy amin’izy ireo avokoa, na ireo mponina eto Antananarivo, na ireo izay any amin’ny Faritra.

Saika voatetin’ny asa sosialin’ny “Andry sy Fototra ho an’ny Fampandrosoana” avokoa ireo boriborintany rehetra eto an-drenivohitra, tato anatin’ny andro maromaro izao. Fizarana sakafo mafana ho an’olona 250 isa, ohatra, niampy fanolorana fitaovam-piasana ho an’ireo vehivavy mifototra amin’ny asa sasa lamba no natolotra ho an’ireo mponina ao amin’ny boriborintany voalohany. Fizarana fitaovana fanasanam-damba ho an’ireo fikambanam-behivavy kosa no natao tao amin’ny boriborintany faharoa. Tsy nijanona hatreo, mbola nisitraka fampitaovana toy izany ihany koa ireo vehivavy mpanasa lamba avy amin’ny fokontany maro ao amin’ny boriborintany fahatelo. Isan’izany ireo izay avy amin’ny fokontanin’Ankorondrano Andranomahery, Soavinandriana, Andravoahangy Andrefana, Andravoahangy Tsena, ary Mahavoky. Nitohy hatrany ny fanampiana. Tsy diso anjara ihany koa ireo vehivavy mivelona amin’ny fanasan-damba ao amin’ny boriborintany fahefatra sy fahenina.
Tsy nojerem-potsiny, nisitraka tohana toy ny natao teto Antananarivo ireo mponina maro any amin’ny Faritra ary nampifanarahan’ny fikambanana amin’ny filàna misy any amin’ireo mpisitraka izany. Fizarana fitaovam-pianarana sy boky entina hanampiana ny fanabeazana ireo mpianatra, araka izany, no natolotra an’Ikongo. Entana amin’ny karazany maro fampiasa amin’ny fiainana andavanandro kosa no indray nalefa tany amin’ny Faritra Boeny sy Betsiboka. Avy eo nanainga ny nihazo an’Atsinanana, Ihorombe, ary Matsiatra Ambony.

Tsy mikely soroka amin’ny adidy goavana miandry azy moa ireo mpikambana ao amin’ny fikambanana AFF. Mitohy hatrany ny asa sosialy sy fiahiana ny mpiara-belona fanaon’izy ireo. Olona maro rahateo no mbola miandrandra izany.

Sarobidy Sidonie.

Fermer