Songadim-baovaoToekarena
FANOHANANA NY TANTSAHA: Hanokana 4 miliara ariary ny Fanjakana hamatsiana ny fividianana zezika
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fahatrarana ny tanjon’ny fahavitantena ara-tsakafo ny fanohanana ny famokarana ataon’ny Tantsaha, izay maro an’isa eto amin’ny firenena. Eo anatrehan’ny fiakaram-bidin’ny zezika ankehitriny, dia nanapa-kevitra ny Fitondram-panjakana, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly, fa hanokana vola 4.000.000.000 Ariary hamatsiana ny fividianana zezika hiatrehana ny fanombohan’ny taom-pambolena amin’ity volana oktobra ity.
Ny 80%-n’ny Malagasy dia tantsaha avokoa. Izany hoe, miantoka betsaka ny famokarana sy famatsiana ny tsena anatiny eto amintsika ny vokatra avy amin’ireo tantsaha any ambanivohitra. Isan’ireo mitondra faisana anefa izy ireo manoloana ny fiakaram-bidim-piainana ankehitriny, ka mampidangana izay tsy izy ihany koa ny vidin’ny zezika. Noho ny fahatsapan’ny Mpitondra izany tranga izany indrindra no nahatonga ny Fanjakana malagasy hanokana vola 4.000.000.000 Ariary hamatsiana ny fividianana zezika hiatrehana ny fanombohan’ny taom-pambolena amin’ity volana oktobra ity, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly. “Hisy ny hetsika faobe fizarana zezika ho an’ireo tantsaha mpamboly amin’ny faritra samihafa tena mila izany manerana an’i Madagasikara”, hoy ny fanazavana. Ity tetikasa ity izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny Velirano faha-6 sy faha-9 ny Filohan’ny Repoblika, dia ny « fahavitan-tena aratsakafo » sy ny « asa mendrika ho an’ny rehetra ».
1.600.000.000 Ar ho an’ny “titre vert”
Ankoatra izay, nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, omaly koa, ny famatsian’ny Fanjakana Malagasy vola mitentina 1.600.000.000 Ariary ny tetikasa « Titre Vert », izay fiarahamiasan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny fandaharanasan’ny Filoham-pirenena « Fihariana ». Mizara roa mazava tsara ny tetikasa, ny voalohany dia ny « titre vert économique » ho an’ireo tanora izay handraharaha amin’ny fambolena sy fiompiana, any amin’ny Faritra Diana, Vakinankaratra, Mahatsiatra Ambony ary Menabe. Ny faharoa kosa dia ny « titre vert social » izay hamatsian’ny Fanjakana vola ny fitrandrahana ara-pambolena ataona fianakaviana ianjadian’ny hain-tany any amin’ny faritra Anosy. Famatsiana zezika sy fitaovana ary milina ilaina amin’ny fambolena ho an’ireo fianakaviana ireo no tena iompanan’izay endriny faharoa amin’ny tetikasa « titre vert » izay, araka ny tatitra hatrany.



