PolitikaSongadim-baovao
FANOHERANA NY « BASE TOLIARA » : Handray fepetra amin’ireo minia manakorontana ny OMC Toliara
Mikasika ny zava-misy ny alahady 23 martsa lasa teo, tany Andaboy Toliara, dia handray fepetra ny Vaomieran’ny fandriam-pahalemana iraisana (OMC) Toliara. Handray fepetra ny amin’ireo rehetra tompon’andraikitra tamin’ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana ka nitarika tamin’ny faharatrana teo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany ny OMC. Eo anatrehan’izany anefa, dia miantso ny vahoakan’i Toliara ny OMC hanaja ny lalàna manan-kery izay manipika fa tsy maintsy manao fangatahana alalana eny anivon’ireo tompon’andraikitra mahefa (Prefektiora) ireo rehetra izay mikasa hanao famoriam-bahoaka sy hetsika an-dalambe, na inona na inona antony. Raha tsiahivina, dia nidina an-dalambe, nanohitra ny fanatanterahana ny tetikasa Base Toliara ireo mponina izay tsy mankasitraka ny tetikasa ny alahady lasa teo, teny Andaboy. Takian’ny OMC ny hampitsaharana izany tanteraka.
Stan R.




