Politika
FANOMBOHAN’NY FAMPIELEZAN-KEVITRA: Ny fampandrosoana ny kaominina no laharam-pahamehan’ny kandidà IRMAR
Nanomboka omaly tokoa ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana izay ho Loholon’i Madagasikara, ny 11 desambra ho avy izao, raha hifarana ny 09 desambra misasakalina. Ho an’ireo kandidà avy amin’ny antoko Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina, eto Antananarivo, dia vaindohan-draharahan’izy ireo raha lany soa aman-tsara, ny hamerina indray ny hasin’ireo kaominina, hisian’ny fampandrosoana marina eto amin’ny firenena…
Ny fiahiana ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana no tokony himasoana voalohany indrindra, raha hiresaka fampandrosoana, anisan’izany ny kaominina. Andraikitra fototry ny Loholona ny miahy azy ireo, fa anisany koa ny fandaniana lalàna, ary ny fanomezana tolo-kevitra ho an’ny Governemanta. Teto anefa hatramin’izay, toa kamboty tsy misy mpiahy ireo kaominina, tsy misy mpihaino izay mba hetahetan’ireo any ifotony, ka maro ireo nahatsapa tena ho lavitr’andriana tsy misy mpijery, manoloana ireo olana maro samihafa mianjady amin’ny vahoaka. Izany indrindra no nametrahan’ireo Kandidà loholona avy amin’ny vondrona IRMAR, eto Antananarivo, ny tanjona amin’ny firotsahan-kofidian’izy ireo. Misy ny tanjona sy tetikasa hotanterahin’izy ireo, izay mifototra bebe kokoa amin’ny fampivoarana indray ireo kaominina rehetra mandrafitra ireo distrika eran’Antananarivo, izay novelabelarin’izy ireo nandritra ny fotoam-panokafana ny fampielezan-kevitra, omaly, tetsy amin’ny Arena Ivandry. Laharam-pahamehan’izy ireo ny fanampiana ny Ben’ny tanàna sy ireo mpanolo-tsainy amin’ny fanatanterahana ny andraikiny. Manoloana ny andraikitra mavesatra sy sarotra raisin’ireo olom-boafidin’ny tanàna ireo, hisy ny fidinana ifotony hataon’izy ireo amin’ireo kaominina miisa 313 amin’ireo distrika 20 eto Antananarivo, hijerena vahaolana maika, hizoran’ny fitantanana ara-dalàna, na eo amin’ny fanampiana azon’ny kaominina sy ny fomba fitantanana mangaraharaha, ohatra. Manoloana ny foto-kevitra tsy mitovy amin’ny maha antoko politika samy hafa, izay hisehoan’ny tsindry hazolena, vonona ny hanafoana izany izy ireo, hifantohan’ireo Ben’ny tanàna amin’ny fampandrosoana.
Mila lalàna hahafahany mandroso ny kaominina

Tsy vitan’izany fa nilaza hanolotra volavolan-dalàna miainga eny ifotony koa izy ireo, ary hampandresy ireo lalàna ho tombontsoam-bahoaka. Mahatsapa ny maha sarobidy sy tsy mora ny asan’ireo Ben’ny tanàna ireo Loholona, ka nilaza fa tokony hotolorana mari-pankasitrahana arak’izay tandrify azy, izy ireo. Raha mandroso tokoa ny kaominina, mandroso ny firenena. Mila vola, anefa, ny fitantanana ny kaominina, hahafahany mandroso. Nomarihan’ny lisitra voalohan’ny kandidà loholona eto Antananarivo, Razafimahefa Herimanana, nandritra ny fanambarana nataony, fa « tsy maintsy hezahina ny hampitomboina ny famatsiam-bolan’ireo kaominina eto Antananarivo, hahafahany mandroso. Mitaky fanatsarana fitantanana, anefa izany, ary mila fanofanana ara-teknika hifehezana ny asa fampandrosoana. Hatao laharam-pahamehana ny tan-tsoroka momba ny vola sy ny ara-teknika eo anivon’ny kaominina ». Farany, nilaza hampiray ny kaominina amin’ny fanjakana foibe, miaraka amin’ny mpamatsy vola, ireo kandidà rehefa eo amin’ny tonga eny an-dapa maitso, hialana amin’ny fiolonolonana nisy teo aloha tsy nampandroso, satria ireo no toko telo mahamasa-nahandro ny tena fampandrosoana eto amin’ny firenena.




