KolontsainaSongadim-baovao
FANOMEZAN-DANJA NY MAHA IZY ARA-KOLONTSAINA: Mijoro ny Orkestra nasionaly malagasy voalohany, “VOA’ART”
Sambany ary voalohany eo amin’ny tantara no hanana ny Orkestra nasionaly malagasy voalohany i Madagasikara nampitondraina ny anarana hoe “VOA’ART, The National Orchestra of Madagascar”. Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, tamin’ny alalan’ny Akademiam-pirenena momba ny zavakanto sy ny Kolontsaina (ANAC) no tompon-kevitra tamin’ny fananganana azy. Tanjona ny hanomezan-danja ny maha izy ara-kolontsaina antsika, araka ny Velirano fahefatra sy faha-13.
“VOA’ART, The National Orchestra of Madagascar”, io no anaran’ny orkestra nasionaly voalohany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara, izay nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety omaly. Araka ny nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, dia tany amin’ny taona 1965 isika no nanana ny “Choeur et Orchestre Syphonique d’Antananarivo”, kanefa mbola niankina tamin’ny fiangonana izany. Taorian’io dia nisy koa ny « Orchestre et choeur philharmonique d’Antananarivo Analamanga » sy ny « Orchestre du jejy music institute, ny taona 1990. Taty amin’ny taona 2000, nanangana ny “Malagasy orkestra” i Justin Vali. Mbola nisy orkestra hafa koa nitsangana taorian’io. Tsy feno anefa ny fepetra hilazana ny maha Orkestra nasionaly azy ireny. Eny fa na dia ny mpitsoaka mozikan’ny Governemanta aza. Izany indrindra no nahatonga ny Minisitera, tamin’ny alalan’ny Akademiam-pirenena momba ny zavakanto sy ny kolontsaina (ANAC) nampijoro ny “VOA’ART”. Tetikasa izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatanterahana ny Velirano fahefatra sy ny faha-13, mamaritra ny tanjona amin’ny fampandrosoana ny lafiny Kolontsaina
Mpampiofana vahiny
Mpikambana 80 no mandrafitra ny“VOA’ART, The National Orchestra of Madagascar”. Mpikambana izay avy amin’ny lafivalon’ny Nosy avokoa. Misy amin’izy ireo no efa nilona tao anatin’ny filalaovana mozika efa ela, misy koa ireo manam-piniavana ny hisehatra amin’ny mozika izay voaantso handrafitra ny Orkestra. Nahazo ary nanaraka fiofanana matihanina tao amin’ny Akademia nasionalin’ny Zavakanto sy ny Kolontsaina avokoa izy ireo, nialohan’ny nananganana ny mpikambana.
Nametraka fiaraha-miasa tamin’ny Fikambanana « Hetsika » ihany koa ny Minisitera, izay natao omaly ny sonia fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa. Ity fikambanana ity no hiantsoroka ny fitadiavana ny mpampiofana any ivelany mba ahafahana mivelatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny volana septambra izao, araka izany, no ho avy eto Madagasikara ny andiany voalohany amin’ireo mpampiofana matihanina ireo, hitondra fampiofanana ho an’ireo mpampiofana (Formation des formateurs).
Ho ampahafantarina amin’ny fomba ofisialy
Nambaran’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa tanjon’ny Minisitera ny hitondra avo ny fahaiza-manaon’ny Orkestra Nasionaly Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mba ho an’ny voninahitry ny firenena. Izany rahateo koa no nametrahana ny “VOA’ART, The National Orchestra of Madagascar”. Nasiana io teny anglisy io mihitsy ny anaran’ny orkestra mba hahafahana misehatra eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Mirakitra rahateo ny tantara ny fijoroany ary manamarika ny fihiziana ara-kolontsaina.
Hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy amin’ny Alakamisy 26 Mey izao ity orkestra nasionaly ity, amin’ny alalan’ny “Concert de presentation”, eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra, hampisehoana ireo hira fanao fahiny tany anatirova sy ireo karazan-kira “Symphonique”. Seho izay handeha mivantana amin’ny Televiziona malagasy.




