Songadim-baovaoSosialy
FANOMEZANA FETIN’NY RENY: Mirona any amin’ireo kojakojan-dakozia ny safidin’ny maro
Hanamarika ny fankalazana ny fetin’ny Reny isika afaka herinandro. Ny datin’ny 25 mey no voatondro hanamarihana izany amin’ity taona 2025 ity. Efa hita taratra eny amin’ireo tsena eto an-drenivohitra ny fanamarihana io daty io. Efa miparitaka eny an-tsena ireo karazana entana azo atao fanomezana ho an’ny Reny.
Nanatanteraka tombana mahakasika ny safidin’ny maro rehefa hanolotra fanomezana ho an’ny Reny ny orinasa mpikarakara hetsika N-COM Agency. Nisongadina tamin’izany fa mirona kokoa any amin’ny kojakojan-dakozia ny ankabeazan’ny safidin’ny maro. Mandritra ny hetsika varotra fampirantiana “Fanomezana ho an’i Neny” izay ho karakarain’izy ireo eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, amin’ny 22 hatramin’ny 25 mey 2025 ho avy izao, dia omena vahana manokana ny fivarotana ireo karazam-pitaovana mandeha amin’ny herinaratra ilaina ao an-dakozia ireo. Na izany aza, nomena sehatra mandritra ireo efatr’andron’ny hetsika ireo ihany koa ny karazana entana hafa mety hatao fanomezana ho an’ny Reny, hoy ny fanazavan’i Ratiaray Tahiry Fitiavana Nehemia, mpanentana ao amin’ny orinasa.
Anisan’ny nahafantarana ny orinasa N-COM Agency hatramin’izay moa ny fikarakarana hetsika rehefa fetin’ny Reny tahaka izao. Hiavaka kokoa izany amin’ity taona 2025 ity satria mitombo isa hatrany ireo mpandray anjara. Tranoheva miisa 80 no hanao fampirantiana mandritra ny hetsika “Fanomezana ho an’i Neny”. Samy manana ny hanitra ho azy avokoa ireo tranoheva rehetra ireo. Ankoatra io, hiavaka ihany koa ny hetsika amin’ity andiany ity satria nampitomboana 4 andro ny fampirantiana. Mpitsidika hatramin’ny 10 000 isa, araka izany, no handrasana. Mba ho fampandraisan’anjara ireo mpanjifa mandritra io hetsika io, hisy ny fikarakarana fifaninanana hatsaram-bika sy tarehy (Miss) ho an’ny Reny, na ho an’i Neny sy ny zanany ka hahazo fanomezana manokana izy ireo.
Ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa moa dia mikarakara hetsika faharoa hafa ho fanamarihana ny fetin’ny Reny hatrany io orinasa mpikarakara hetsika io. Amin’io datin’ny 22 hatramin’ny 25 mey 2025 io hatrany dia misy ny hetsika “Le grand marché d’Antananarivo- Edition fête des mères”, hotanterahana ao amn’ny Kianja Barea Mahamasina.
S.S




