Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO: Teratany sinoa telo sarona niaraka tamin’ny sokatra 105 teny Ivato
Zana-tsokatra miisa 105 saika ahondrana an-tsokosoko indray no tra-tehaky ny mpiasan’ny Fadintseranana omaly talala 14 janoary 2025 tolak’andro, tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Mpandeha teratany sinoa telo mirahalahy no nitondra ireto sokatra ireto raha andeha hiondrana tamin’ny sidina ET 852 Ethiopian Airlines mandalo ao Addis-Abeba ho any Shangai. Tratra teo amin’ny fandalovana « scanner » ireto biby saika ahondrana ireto. Marihina fa voararan’ny lalàna ny fanondranana ireo karazam-biby ireo.
« Tokony ho sarotiny amin’ny harem-pirenena toy izao isika satria ireny no lova ho avelan-tsika ho an’ny taranaka sady antoka ifotoran’ny fizahantany eto Madagasikara. Mitondra vokatra hatrany arak’izany ny asa fanaraha-maso sy fiarovana ny sisi-tany ataon’ny Fadintseranana », hoy ny fampitam-baovaon’ny Fadintseranana malagasy omaly.
Raha tsiahivina, voaresaka manokana nandritra ny filankevitry ny minisitra voalohany tamin’ity taona ity ny mahakasika ireo karazana fanondranana an-tsokosoko miseho lany miainga eto amintsika. Nanambara moa ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, nandritra izany fa omena fankasitrahana manokana ireo Mpiasan’ny fadintseranana mahatratra, sy mahasahy manohitra trangana fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena toy izao. Andrasana, araka izany, izany ny tohin’ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.



