
Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO : Teratany Sri lankais iray nahatrarana volamena miisa 7 milanja 835 grama
Nisy trangana fanondranana volamena an-tsokosoko indray tra-tehaky ny teo anivon’ny Fadintseranana malagasy omaly teny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato. Teratany Sri Lankais iray saika hihazo an’i Colombo (Sri Lanka) no tratra tamin’izany. Bolongana volamena miisa 7 milanja 835 grama no sarona tany amin’ny fitombenany. Raha tsiahivina, efa nisy tranga nitovy tamin’izao ihany koa tra-tehaka tamin’ny 14 Jona lasa teo.
Bolongana volamena miisa 7 milanja 835 grama no tra-tehaka tamina teratany Sri Lankais iray, antsoina hoe Mohammed tetsy Ivato omaly. Ny tenany izay saika hiondrana tamin’ny zotra laharana MK289 hiainga tetsy Ivato, hihazo an’i Colombo (Sri Lanka) mandalo ao Maurice sy Dubai, omaly hariva ihany. Araka ny loharanom-baovao, nosavaina tamin’ny scanner Amarante izy dia nisy tranga nahiahiana. Rehefa nosavaina ny vatany, dia tsy nahitana na inona na inona. Rehefa nampandalovina « magnétomètre » dia hita misy vy mampiahiahy anaty vatany. Nambarany anefa fa misy vy ny tongony ka nampaneno ny « magnétomètre ». Mailo ny mpiasan’ny fadintseranana ka nampiantso dokotera. Rehefa natao ny fitiliana dia tratra nafeniny tany anaty fitombenany ny bolongana volamena miisa 7 milanja 835 grama. Ankoatra ireo, nisy koa vatosoa miloko manga heverina ho safira milanja 20gr. Atolotra ny fampanoavana anio alarobia 29 jona 2022 ity teratany sri-lankais ity, rahny loharanom-baovao azonay hatrany.
Teratany karana iray sy Sinoa roa tratra
Tranga fitondrana volamena nasisika tany amin’ny fitombenana faharoa, araka izany, ity tra-tehaka omaly ity hatreto. Raha tsiahivina, ny 14 Jona teo, mpandeha telo saika ho any Addis Abeba, Ethiopie no tratran’ny mpiasan’ny Fadintseranana teny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato, nitondra volamena sy vatosoa an-tsokosoko. Isan’ny tra-tehaka tamin’izany, araka ny loharanom-baovao, ny teratany Karana ny iray, izay nahatrarana bologam-bolamena milanja 895 grama, tany anaty fitombenany. Nisy koa teratany sinoa niisa roa hafa, izay nahitana volamena nafenina tany anaty akanjo. Nahatrarana vatosoa koa tany anaty entan’izy ireo, izay mbola hotsirihina amin’ny manam-pahaizana manokana, araka ny vaovao voaray hatrany.
Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana mahakasika ireo tranga roa ireo. Tsiahivina fa mbola tsy misokatra ny fahafahana manondrana volamena avy eto amintsika nanomboka Septambra 2020. Efa nisesisesy ihany koa ny fahatrarana ireo karazana fanondranana antsokosoko ny volamena avy eto Madagasikara tato anatin’ny roa taona farany, raha tsy hilaza afa-tsy ny raharaha volamena 73,5kg, ny volamena tratra tao Seychelles, tratra tao Comores, sy ny sisa…ary izao mbola misy minia manohy izao hatrany.




