PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO : Vato sarobidy mitentina 2 miliara ariary mahery tra-tehaka teny Ivato
Niainga tamin’ny fisavana nataon’ny tomponandraikitra eny anivon’ny Fadintseranana no nahitana ireo Vato Sarobidy nentina teratany Srilankais iray izay nikasa handray ny fiaramanidina Ethiopian Airlines, hihazo an’I Srilanka. Tsy mifanaraka tamin’izay voarakitra tao anatin’ny antontan-taratasy nentiny ny Vato Sarobidy hita taminy, ka nahatonga ny tomponandraikitra nihazona azy sy ireo vato tany aminy, izay efa nogiazina.
Nisy ny fiaramanidina Ethiopian Airlines izay tokony nanainga tamin’ny 1ora tolakandro omaly, izay voatery tsy maintsy nihitsoka tetsy Ivato nandritra ny ora vitsy noho ny fisavana lalina tsy maintsy natao tamina teratany Srilankais iray. Araka ny fanazavan’ny Jeneraly Gellés Serge, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, dia nisy vato sarobidy hita tany amin’ity teratany vahiny iray ity. Rehefa natao ny fisavana dia nanana antontan-taratasy tokoa ny tenany entiny hitondrana ireo vatosoa ireo mivezivezy. Ny fanadihadiana lalina natao anefa no nahafantarana fa tsy mifanojo mihitsy amin’izay voalaza ao anaty antontan-taratasy no tena sandan’ireo vato sarobidy ireo. Izany hoe, nisy fanambarana diso tao anatin’ny taratasy. Raha toa ka 13 205 dolara no voambara tao anatin’ny taratasy fa tombam-bidin’ireo vato ireo, nivoitra nandritra ny fanadihadiana lalina natao fa efa tafakatra hatrany amin’ny 380 000 dolara na 550 000 dolara any ho any mihitsy ny sandan’ireo vato sarobidy tra-tehaka ireo. Izany hoe, efa mitentina 2 miliara ariary mahery.
Onitra 5 miliara ariary latsaka kely
Araka ny fanazavana dia isan’ny karazam-bato hita tao anatin’ny boaty kely nisy izany ny “Saphir bleu”, ny “saphir rose”, ary ny “Emeraude”. Midika izany fa tena ireo karazam-bato vato sarobidy isan’ny lafo vidy avy aty Madagasikara mihitsy ity nokasaina naondrana an-tsokosoko ity. Hatramin’ny omaly hariva dia mbola mandeha ny famotorana, ary mbola ny fanarahana ny pitsopitsony araka ny lalàna eny anivon’ny Fadintseranana ihany no natao. Nambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, izay solontenam-panjakana tonga teny an-toerana, fa miezaka ny Fanjakana hiaro ny harem-pirenena, ary zava-dehibe ny fahatrarana ny fanondranana an-tsokosoko tahaka izao. Marihina fa tany anaty entana hoenti-tanana no nahitana ity vato sarobidy ity.
Nampahatsiahy ny teo anivon’ny Fadintseranana fa vao aingana ihany koa no nahatrarana fikasana fanondranana an-tsokosoko tahaka izao tany Toamasina, tao anaty kaontenera miisa valo. Omaly no nivoaka ny didy tao Toamasina izay nanameloka ireny trangana fikasana hanondrana an-tsokosoko ny harem-pirenena ireny. Hogiazana ireny entana ireny, hoy ny fanazavana, ary hisy onitra hatrany amin’ny 5 miliara ariary latsaka kely any ho any, ho an’ireo mpanondrana an-tsokosoko.




