Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO: Volamena 53,7 kilao sarona teny Ivato, Tomponandraikitra iray karohina fatratra

Omaly Alatsinainy 23 Desambra 2024 dia volamena milanja 53,7 kg no nisy nikasa hanondrana an-tsokosoko, ary sarona teny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato. Tsy tanteraka anefa izany satria dia ravan’ny teo anivon’ny fadintseranana Malagasy sy ny mpitandro ny filaminana ny tambazotra mpanao asa ratsy saika hanatanteraka izany. Nisy ny angom-baovao mari-pototra azo avy amin’ny fiaraha-miasan’ireo tomponandraikitra mahefa eny amin’ny seranampiaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato. Nampiarina ihany koa ny fomba fiasa vaovao amin’ny fanaraha-maso hentitra ny fivezivezena.
Taratasy fahazoan-dalana hosoka no saika nampiasain’izy ireo ka mpiasa eo anivon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny no tompon’antoka tamin’ny fanaovana izany. Araka ny fampitam-baovao dia tsy manana ny fahefana ny hanao izany ary nisandoka andraikitra ilay tompon’antoka. Efa nisy avy hatrany ny filazana fikarohana navoaka momba azy io, izay mitondra ny anarana hoe Soananata Fanambinana Julien Dersen. Ilay olona nikasa hitondra ilay volamena kosa dia voatazona ary eo am-pelatanan’ny manampahefana hanaovana famotorana. Ny volamena tratra kosa dia efa napetraka ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM).
Nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sady mpitondra Tenin’ny Governemanta Mara Volamiranty Mara Donna tao anatin’ny fampitam-baovao navoaka omaly alina fa ny Fitondram-panjakana dia manamafy ny fandraisany andraikitra hiady amin’ny asa ratsy sy ny fandikan-dalàna izay mety hanimba ny hasin’ny firenena sy ny tombotsoam-pirenena.
Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer