Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO: Volamena maherin’ny 69 kilao sarona teny Ivato tato anatin’ny roa volana

Bolongam-bolamena iray milanja 1, 780 kilao no tratran’ny mpiasan’ny fadintseranana tamina mpandeha saika hiondrana tamin’ny sidina Ethiopian Airlines ET 852 omaly. Araka ny tatitra dia napetraky ny mpiray tsikombakomba mialoha tany anaty koveta fivoahana (toilettes)-n’ny « salle d’embarquement » ity volamena ity no nalain’ny olona hitondra azy.

Tsikaritry ny mpiasan’ny Fadintseranana dieny mialoha ny fihetsik’ity mpandeha ity ka vao nivoaka ny fivoahana izy dia tratra avy hatrany. Eo an-dalam-pikarohona ny mpiray tsikombakomba aminy ny Fadintseranana ankehitriny.

Tsara ho fantatra fa ity fahatrarana fikasana hanondrana an-tsokosoko volamena ity dia efa fanintelony, raha nanomboka ny volana desambra teo no nankaty fotsiny no asian-teny. Raha tsiahivina, volamena milanja 67,5 kg no tra-tehaky ny Fadintseranana tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato nandritra ny volana desambra 2024. 13,8 kg no tratra ny 11 desambra ary 53,7 kg ny 23 desambra farany teo. Araky ny andalana 396 ao amin’ny “code minier” dia apetraka eny anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara akaiky indrindra ny volamena tratra mandra-piandry ny fanapaha-kevitry ny Fitsarana. Marihina fa andraikitry ny Fadintseranana ny mampihatra ny lalàna toy izao ho fiarovana ny harem-pirenena eny amin’ny sisintany.

Hihazo an’i Dubai avokoa ny kajy rehetra tamin’ireo fanondranana an-tsokosoko rava ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer