PolitikaSongadim-baovao

FANOTOFANA TANY TSY ARA-DALÀNA : Tambazotra iray goavana eto an-drenivohitra rava

Tambazotra goavana, nahitana Polisy kaominaly sy Nasionaly, ary mpiasa tao amin’ny APIPA teo aloha, no tra-tehaka tamin’ny raharaha fanotofana tany tsy ara-dalàna teny Ankasina, ao amin’ny Boriborintany Voalohan’ Antananarivo Renivohitra. Ny alin’ny 8 Febroary hifoha 9 Febroary no nahatrarana azy ireo. Kamiao maromaro, izay tratra nanao fandikan-dalàna, no naiditra ambalam-pamonjana (fourrière), araka ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy Fanajariana ny Tany.

Niroso ny famotorana, ary efa eo am-pelatanan’ny tomponandraikitra tandrify izany ny raharaha ankehitriny. Tsiahivina fa tena voararan’ny lalàna ny fanotofana tany tsy ara-dalàna, indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra, fotoanan’ny ranobe sy ny tondradrano.

Tsara ho fantatra fa efa natsahatra tamin’ny fomba ofisialy nanomboka tamin’ny taona 2022 ny fanomezan-dalana amin’ny fanotofana tany, araka ny didim-panjakana laharana 2022-241 navoaka ny 23 Febroary 2022. Noho izany, enjehan’ny lalàna ny fikasana na fanatanterahana fanotofana, indrindra eto amin’ny lemak’ Antananarivo.

Naverimberin’ny Filoham-pirenena nandritra ny fidinana ifotony teny Anosizato Atsinanana sy teny amin’ny tobim-pamokarana trano fonenana ao Andavamamba, fa tokony hofaizina mafy ireo olona tratra manao izany, ary hamafisina hatrany ny famongorana tanteraka ireo tambazotra.

Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer