PolitikaSongadim-baovao
FANOVANA GOVERNEMANTA: Hosoloina ireo tsy maharaka, tsy ho kitihina ny Praiminisitra
Lohahevitra anisan’ny nandrasan’ny maro tamin’ny Filohan’ny Repoblika, omaly, ny mahakasika ny fanovana Governemanta na ny mpikamban’ny Governemanta. Nitsotra ny Filoha fa efa misy ny fanaovana tombana, ary ny vahoaka rehetra, hoy izy, dia afaka mijery ny fomba fiasan’ny Minisitra tsirairay anatin’ny Governemanta ankehitriny. “Tsy maintsy misy foana ny soloina rehefa hita fa misy lesoka”, araka ny nambarany. Na izany aza, misy ny tena manao ny asany. Misy ny mahatratra ny tanjona sy ny Velirano, hoy ny Filoha. Etsy andaniny, misy ny tsy mahatratra sy tsy maharaka ny hafainganam-pandeha, hoy ny Filoha. Tsy maintsy hisy ny fanovana, noho izany. Tsy mbola namaritra ny fotoana hanatanterahana ity fanovana mpikamban’ny Governemanta ity kosa anefa ny Filoha. Notsoriny fa tsy mora ny manolo minisitra iray, raha ny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana no heverina.
Tsotra sady nazava kosa ny tenin’ny Filoha manoloana ireo mivoy ny tokony hanesorana ny Praiminisitra. Tsy mahita olana amin’ny fomba fiasany aho, hoy ny Filoha. Sady tsy mbola nahenoana ihany koa raharaha maloto maha voasaringotra azy, ka tsy misy antony tokony hanesorana azy. Dikany, tsy ho voakitika ny Praiminisitra, fa ireo mpikamban’ny Governemanta irery ihany no hisy fanovana.



