PolitikaSongadim-baovaoSosialy
FANTSONA FITARIHAN-DRANO LEHIBE – EFAHO: Mponina miisa 500 000 hisitraka rano fisotro madio ao Androy sy Anosy
Paikady napetraky ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina iadiana amin’ny tsy fahampian-drano any amin’ny Faritra Androy sy Anosy ny fanamboarana fitarihan-drano goavana mirefy 97km na pipeline avy amin'ny reniranon'i Efaho. Ny sabotsy teo no natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana izany tetikasa lehibe izany, tao Ambovombe.
Ny tapany Atsimon’i Madagasikara dia voakasiky ny haintany miverimberina efa an-taonany maro. Tranga izay misy fiantraikany ratsy maro, indrindra amin’ireo mponina marefo, anisan’izany ny vehivavy sy ny ankizy. Araka izany, ho fanatanterahana ny fanamby napetraky ny Filoham-pirenena, sy ho fanamafisana ny Velirano faharoa : “Rano ho an’ny rehetra”, dia nandray ny andraikiny ny Fitondram-panjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, tamin’ny famolavolana ny tetikasa « Pipeline Efaho » izay fitarihana rano avy eo amin’ny Reniranon’i Efaho avy ao Esalo, Faritra Anosy mba hanampy ny toerana manodidina indrindra ny Faritra Androy sy ny Tanànan’Ambovombe ho an’ny tombontsoan’ny mponina sy ny fizakan-tenany.
Tanjona maromaro no kendren’ny tetikasa amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fahazoana mampiasa ny rano sy misitraka rano fisotro madio, dia ny fanatsarana ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekaren’ny mponina any Atsimon’i Madagasikara, ny fiarovana sy ny fahaiza-mampiasa ny tahirin-drano, ary ny fanamafisana ny fahafaha-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro.
Araka izany, ny tetikasa “Pipeline Efaho” dia ahitana fantsona laharandroa mirefy 97 km ho amin’ny fampiasana marolafy ny rano ka hitondra rano fisotro madio sy rano ho an’ny fambolena sy ny fiompiana mba ho fampivoarana ny toekaren’ny mponina. Miainga avy ao Esalo, Faritra Anosy, izany fantson-drano izany ka hipaka ao amin’ny tanànan’Ambovombe, Faritra Androy. Hamakivaky tanàna miisa enimpolo (60) ao anatin’ny Distrika telo dia Taolagnaro, Amboasary Atsimo sy Ambovombe, ary hanondraka ny lemak’i Sampona, Maroalopoty ary Maroalomainty.
Famatsiam-bola madiodion’ny Fitondrana malagasy
Ny tanjon’ny tetikasa dia fitarihana rano hatramin’ny 15 tapitrisa m3 isan-taona avy amin’ny reniranon’i Efaho, izay tombanana ho 2 % n’ny tahirin-drano eo amin’ny renirano. Mponina miisa 500 000 kosa no hisitraka rano fisotro madio amin’ny alalan’ny tetikasa, ary tany fambolena mirefy 80 000ha no ho voatondraka, raha toa ka toerana fampisotroan-drano miisa 120 ho an’ny biby fiompy no hapetraka. Marihana fa ny tetikasa Efaho Pipeline dia avy amin’ny famatsiam-bola madiodion’ny Fitondram-panjakana Malagasy.
“Tsy mivadi-belirano”
Ny Sabotsy 22 aprily 2023 teo, tonga nanamarika ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy izany tetikasa goavana izany, izay hanova ny tantaran’ny Faritra Atsimon’ny Nosy iny ny Filoha Andry Rajoelina, tao Ambovombe Androy. Velirano, hoy izy, no natao ary izay manome rano manome aina, mamelona ny vahoaka ary mampandroso ny Faritra.
“Tsy mivadi-belirano aho fa tonga eto hanatanteraka izao tetikasa lehibe izao. Tetikasa hanamarika ny tantara”. Io no nambaran’andriamatoa Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblika, raha tonga nanamarika ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy izany tetikasa goavana izany, izay hanova ny tantaran’ny Faritra Atsimon’ny Nosy iny ny tenany, tao Ambovombe Androy. Velirano, hoy izy, no natao ary izay manome rano manome aina, mamelona ny vahoaka ary mampandroso ny Faritra. Samy nidera sy nankasitraka ny fikirizana sy ny haitarika nananan’ny Filoha kosa ireo nifandimby nandray fitenenana. “Efa taranaka maro nifandimby no naniry ahita an’izao. Efa an-taonany maro ny tsirin-kevitra fa tsy nisy nanatanteraka, fa ianao, noho ny Leadership anananao no manatanteraka azy izao”, hoy Ravokatra Fidiniavo, Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana, sy ny Fidiovana, izay nankasitraka manokana ny Filohan’ny Repoblika, tao anatin’ny lahateniny.




