Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FARAFASINA NOSY VARIKA: Mpihady volamena enina indray maty nihotsahan’ny tany

Olona enina nihady volamena no  indray nihotsahan’ny tany tao Farafasina, Distrikan’i Nosy Varika, ny harivan’ny faha-10 volana jolay, tokony ho tamin’ny 7 ora. Niezaka nitady ireo fokonolona tao an-toerana, saingy noho ny andro efa hariva, dia voatery tsy maintsy naato ny fitadiavana. Ny ampitson’io vao maraina, dia raikitra indray ny fikarohana, ary mbola mihady azy ireo ny fokonolona, raha nisy fiatoana izany ny alina ho fitandrovana ny ain’ny vahoaka tao anatin’ny haizina. Tokony ho tamin’ny 8 ora maraina, dia hita avokoa ireo razana enina, izay fantatra fa nihotsahan’ny tany omaly hariva, talohan’io andro io.

Araka ny antso azo avy amin’ny Ben’ny Tanànan’Ambodilafa, dia miisa enina, ireo namoy ny ainy, ka isan’izany, R R Suverlin  27 taona, Julien M Martial, 18 taona. Marcellin, 21 taona, Joseph Berthin 42 taona,  Théodore, 27 taona, ary Jaito, 24 taona. Araka ny angom-baovao, dia samy mipetraka ao Farafasina, kaominina Ambodilafa Distrikan’i Nosy Varika izy rehetra ireo. Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo tany an-toerana niaraka tamin’ny zandary, dia natolotra ny fianakaviana ny razana. Nentanina ny vahoaka, mba hitandrina hatrany raha manao asa kariera, fa lahitokana ny aina. Arak any fampitam-baovao hatrany dia raim-pianakaviana iray mipetraka ao Farafasina no tompon’ny kariera, izay nahazo fanomezan-dalana mazava avy amin’ny kaominina, tamin’ny fahafahana manao io fitrandrahana volamena tao an-toerana io. Na izany aza, dia mila fitandremana fatratra, ny fihadiana lavaka, amin’izao fotoana izao, indrindra ho an’ireo olona mihady lavaka, hikarohana harena an-kibon’ny tany satria mety malemy ny tany, ka mila fitandremana fatratra.

Pierre M.

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer