Songadim-baovao

FARAN’NY HERINANDRO TAO TOAMASINA: Nanjakan’ny hain-trano, roa no namoy ny ainy

Hain-trano roa be izao no indray niseho tao anatin’ny iray andro, ny sabotsy lasa teo tao Toamasina. Tamin’ny 8ora maraina ny iray, izay namoizana ain’olona sy nandravana fananana maro, raha tamin’ny 5ora hariva ny loza faharoa, namoizana fananana tao anatin’ny indray nipi-maso monja…

Loza tonga sa tsy fitandremana ? Io avy hatrany ny fanontanian’ny mpanara-baovao maro, nahita sy nanaraka akaiky ity tranga nampahonena niseho tao amin’ny Renivohitry ny faritra Atsinanana ity, ny andron’ny sabotsy lasa teo. Hain-trano roa be izao no indray niseho tamin’izany, ka tapak’andro maraina tokony ho tamin’ny 8ora teo ny iray, tao amin’ny firaisana Morarano Ambolomadinika. Ankoatra ny loza vokatry ny hetraketraky ny afo  niseho, nisy koa ny aina nafoy tamin’izany, lehilahy miisa roa ka 70 taona sy 36 taona teo ho eo. Voalazan’ireo nanatri-maso fa tsy nisy nifandraisan’io hain-trano io izao fahafatesana izao, fa teo am-pizahana ny trano nirehitra izy ireo no nianjeran’ny rindrina vita tamin’ny « parpaings » tamina trano iray tsy lavitra teo, ka maty tsy tra-drano. Vehivavy iray hafa koa no safotra tamin’izany, ary efa nahazo fitsaboana teny amin’ny hopitaly. Tao Tanambao Verrerie, indray no nitrangan’ilay loza manaraka, efa ho hariva tamin’izany. Tsy nisy ny aina nafoy, saingy tsy nisy azo noraisina tao anaty fotoana fohy ireo entana rehetra tamina trano voatombana ho 15 tafo teo ho eo. Maro, araka izany, ireo tra-boina ao an-toerana. Tsy nisy fantatra ny niandohan’ny firehetana tamin’ireo loza roa ireo, saingy voafehy izany tamin’ny fahatongavan’ny mpamonjy voina, na dia naharitra ora vitsy aza ny famonoana afo. Tsy mbola fantatra ihany koa, ny teti-bidin’ny fananana rava tamin’izany. Efa mijery akaiky ity tranga tao Toamasina ity ny mpanao fanadihadiana, ary efa mandray ny andraikiny ny fitondram-panjakana any an-toerana, mikasika ny fiahiana ireo tra-boina.

Fermer