PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FARAN’NY TAONA SY TAOM-BAOVAO : Ho hentitra fampanajana ireo fepetra ara-pahasalamana eto amin’ny Faritra Analamanga

Na eo aza ny fiatrehana ny fety, tsy tokony hohadinoina fa mbola ao anaty fahamailoana ara-pahasalamana isika eto Madagasikara ankehitriny, manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 indray. Noho izany indrindra no nahatonga ny teo anivon’ny Prefektioran’Antananarivo namoaka ny didim-pitondrana manamafy ireo fepetra rehetra tsy maintsy arahin’ny rehetra eto amin’ny Faritra Analamanga.

Noho ny firongatry ny valanaretina Covid-19 sy ny fiatrehana ny fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao dia nohamafisin’ny prefen’ny polisy eto amin’ny Faritra Analamanga tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana ny fepetra tsy maintsy arahina ao anatin’ny “fahamailoana ara-pahasalamana”. Araka izany, tsy azo atao ny mamory olona mihoatra ny 100 anaty efitrano mihiboka iray, ary tsy maintsy fendrahana ranom-panafody ny toerana aloha sy aorian’ny famoriam-bahoaka. Azo atao kosa, hoy ny fanazavan’ny prefen’Antananarivo, Ravelonarivo Angelo, ny mangataka fahazoan-dalana manokana hampiditra olona mihoatra ny zato ho an’ireo manana efitrano malalaka maromaro fandraisan-danonana, saingy tsy mihoatra ny 100 isaky ny efitrano ny olona raisina. Nohamafisina ihany koa fa tsy azo atao ny manao famoriam-bahoaka ankalamanjana. Etsy ankilany, tsy maintsy hajaina ny fepetra ara-pahasalamana rehetra, dia ny fanaovana arotava, elanelana iray metatra, fijerena hafanana, fanasana tanana sy fampiasana “gel désinfectant ». Notsindrian’ny Prefen’Antananarivo koa fa tsy maintsy manao arotava izay mivoaka ny trano, ny mpivarotra sy ny mpiantsena rehetra. Nentanina ihany koa ny tsirairay mba hanao vaksiny na/sy hampiasa ny CVO, CVO+, izay entina mampitombo ny hery fiarovana amin’ny vatana ny tsirairay.

Ho hentitra ny fanaraha-maso ny fampiharana ireo fepetra ireo. Samy efa nahazo toromarika amin’ny fanatanterahana ny didy avokoa ny lehiben’ny distrika, ny lehiben’ny vondrom-paritry ny zandarimaria Analamanga, ny kaomisiaria foibe, ary ny manana fahefam-panjakana rehetra anatin’ny Faritra Analamanga, araka ny fanazavana.

Hetsika maro nofoanana

Mifandraika indrindra amin’ity firongatry ny valanaretina covid-19 ity, hetsika maro entina hamarana ny faran’ny taona 2021 sy hitsenana ny taom-baovao 2022 no voatery tsy maintsy nofoanana. Isan’ireo mpikarakara ny fety i Bio-Jay, izay nanomana lanonana hamarana ny taona vaovao. Nambarany tao anatin’ny rantin’ny tambajotra ara-tsosialiny fa vao avy nolalovan’ny aretina izy, ary nosembanin-drahona tao anatin’ny fianakaviana, ka voatery tsy maintsy nanafoana ny lanonana, hamaranana ny fety faran’ny taona 2021. Isan’ireo nanafoana ny hetsika iatrehana ny fety faran’ny taona koa ny mpanakanto manana ny lazany, toa an-dry Jery Marcoss, Samoela, Simonda Valera, izay tokony ho notanterahina eny amin’ny Lion d’Or eny Anosy Avaratra. Isan’ireo mpanakanto manana ny maha izy aza, voatery nanafoana ny lanonana farany taona koa, ry Lôla sy Stephanie, miaraka amin’ny Orchestre Soa Mariage sy ny mpanafana ny lanonana Lauda. Isan’ireo nanambara ny fanafoanana ny lanonana hitsenana ny taom-baovao 2022 koa ny Tanàna Hotel Ranomafana. Isan’ny nambara fa noho ny firongatry ny valanaretina covid-19 no antony voatery tsy maintsy nanajanonana ny hetsika. Sembanan-drahona tanteraka, araka izany, ireo mpikarakara fampisehoana noho ny fisiana famandrihana mialoha ny toerana sy ny tapakila efa lafo. Mazava ho azy fa voatery tsy maintsy mamerim-bola ho an’ireo mpamandrika mialoha ireo mpikarakara lanonana. Nambaran’i Haja tompona toerana fandraisana lanonana fa « fatiantoka iray lavaka no manjo azy ireo, vokatry ny tampody fohy ataon’ny valanaretina covid-19. Tsy maintsy nofoanana ny lanonana saika hokarakaraina satria tsy ho voahaja mihitsy ny fepetra sakana, rehefa mandihindihy sy mifety ao anatina efitrano ». Ho an’i Felana, izay matetika mpamonjy lanonana rehefa farany taona, dia nisafidy ny hijanona ao an-trano izy, isorohana ny fihanahan’ny valanaretina covid-19. « Aleo mijanona ato an-trano, dia ny sakafo no atao tsara sy miavaka amin’ny mahazatra, iatrehana ny taona vaovao 2022 », hoy izy nanazava. Ho an’i Steve kosa, dia nisafidy ny handeha ho any Toamasina, hamangy fianakaviana izy, fa tsy hamonjy toeram-pilanonana.

Fermer