Songadim-baovaoSosialy
FARAN’NY TAONA SY TAOM-BAOVAO: Tsy hisy ny oram-baratra eto Antananarivo
Nanome ny tomban’ny toetry ny andro ato anatin’ny fiatrehana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao, izany hoe ato anatin’ny telo andro manaraka ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Raha ny vinavina azo tamin’izany, dia tsy hisy ny oram-baratra eto Antananarivo ny andron’ny talata sy ny alarobia ho avy izao, raha handrahona mety arahina erikerika na orana manify fotsiny ihany. Any avaratra andrefan’ny Nosy no hisy oram-baratra mitsitokotoko, ary orana miatoato any amin’ny morontsiraka manamorona ny morontsiraka avaratra atsinanana sy afovoany atsinanan’ny Nosy manontolo. Hanodidina ny 30 ka hatramin’ny 31°C kosa ny maripàna ambony indrindra rahampitso talata sy afak’ampitso alarobia. Ny andron’ny anio alatsinainy 30 desambra kosa, no vinavinaina hisy ny oram-baratra mitsitokotoko eto afovoan-tany sy any amin’ny ilany andrefan’ny Nosy. Any Melaky sy Diana, Boeny sy Sofia no voalaza fa hisy ny sisan’oram-baratra, ny maraina. Manodidina ny 28 ka hatramin’ny 30°C kosa ny maripàna ambony indrindra amin’ity anio ity, eto Antananarivo.



