Songadim-baovaoSosialy

FARAVOHITRA FARATSIHO : Nisitraka ny hetsika didimpoitra faobe maimaimpoana

Tany Faravohitra indray no notohizana ny fanampiana ireo Ray aman-dReny nila nanao didimpoitra ny zanany, ka nanolorana azy ireo « opération » maimaimpoana, ary nanomezana kilalao ireo zazalahy kely vita hasoavana, omaly. Tompon-kevitra tamin’izao hetsika izao moa ny Loholon’i Madagasikara, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, izay sady zanaky ny Distrikan’i Faratsiho ihany. « Raha mbola omen’Andriamanitra tombon’andro sy fahasalamana ary tanjaka ara-tsaina sy ara-batana dia mbola hiasa hanompo ny vahoakan’i Faratsiho hatrany araka ny lokaloka ny hanao valim-babena ny tanindrazana niaviana », hoy ny fanambarana nataony omaly.

Marihina fa tao amin’ny biraon’ny Kaominina no natao ny hetsika. Ny Ben’ny Tanàna ao an-toerana izay lany tamin’ny tsy miankina kanefa efa miaraka tanteraka amin’ny ao amin’ny IRMAR (Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina). Nankasitrahan’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy koa ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka izay nosoloin’Atoa Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Vakinankaratra tena, ny ekipan’ny Médecin Inspecteur ao Faratsiho izay mavitrika miara-misalahy amin’ity hetsika manerana ny disitrika ity.

Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer