Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FARI-DRANOMASIN’I MADAGASIKARA: Sambo “srilankais” iray nahatrarana Atsantsa 16 Taonina

Ao anatin’ny ezaka tanterahan’ny CSP (Centre de Surveillance de Pêche) na ny ivontoerana mpanara-maso ny jono eto Madagasikara mifandraika amin’ny famongorana sy fiadina amin’ny jono tsy manara-dalàna dia nisy ny iraka rejionaly faha-65 notanterahan’ny sambo mpanara-maso ny jono (antsoina hoe Atsantsa), notanterahana tamin’ny 28 mey hatramin’ny 08 jona 2025 lasa teo. Nanaovana izay filatsahana an-dranomasina izay ny tany amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara sy Kaomoro (Zones exclusives). Nandrafitra ny ekipa nandritra io iraka io ny sivily avy ao amin’ny CSP toy ireo « inspecteur de pêche » avy eto Madagasikara sy Kaomoro, zandary ary miaramila avy amin’ny Tafika an-dranomasina izay miandraikitra ny fanamoriana ny sambo mpanara-maso.

Nahitam-pahombiazana ny hetsika satria sambo mpanjono »Srilankais » iray mitondra ny anarana « Ruth Baba 6 », nahitana tantsambo miisa 08 izay mizaka ny zom-pirenena  « Srilankais »,  no tratra nangalatra nanjono an-tsokosoko, tao avaratr’i « Cap St André » (Tanjona Vilamatsa), Faritra Besalampy. Tsy fanarahan-dalàna maro no hanenjehana azy ireo ka anisan’izany ny tsy fananan’izy ireo fahazoan-dalàna manjono aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara, ny tsy fahafan’ny sambo manjono « au large », ary ny fihazan’izy ireo biby arovana tsy avelan’ny làlana jonoina dia ny Atsantsa (Requin) izany. Atsantsa milanja 16T mahery (Atsantsa lena milanja 12Taonina mahery miampy atsantsa maina sy vombony na aileron) no tratra tao anatin’ity sambo ity nandritra ny fisavana natao. Avy hatrany dia nogiazana ary nentina namonjy an’i Mahajanga ny sambo sy ireo tatsambo tao anatiny. Tsy vao voalohany ny toy izao fa raha tsiahivina dia efa nisy sambo « Srilankais » miisa 2 tratra toy izao ihany koa tamin’ny iraka faha-62 natao tamin’ny 2024. Teo koa ny tranga nahatrarana sambo kenyana manao izay jono tsy ara-dalàna aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara izay.

Mila atao laharam-pahamehana, noho izany, ny fanaraha-maso ny jono aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Nomarihin’ny avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga fa ny COI (Commission de l’Océan Indien) tamin’ny alalan’ny PRSP (Plan Régional de Surveillance des Pêches) sy ny Ecofish, vatsian’ny Vondrona Eoropeanina no nahafana nanatanteraka iny iraka fanaraha-maso natao farany teo iny. Nisy, araka izany, ny fandalovan’ny solotena manokan’ny COI tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fahatongavan’ny sambo Atsantsa natrehan’ireo olona ambony ao Mahajanga notarihan’Atoa Governora, solotenan’ny Kaominina Ambonivohitra Mahajanga, sivily sy Miaramila ka nanomezana taratasy fankasitrahana ireo ekipa rehetra nanatanteraka ny iraka.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer