PolitikaSongadim-baovao

FARI-PIADIDIAN’NY ZANDARIMARIA ANTANANARIVO: Nomena ny anarana « Toby Jly Richard Ravalomanana »

Mipetraka ho tantara eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ny 31 marsa  2025. Notanterahina omaly ny lanonana ara-miaramila nanomezana anarana, tamin’ny fomba ofisialy ny tobin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Antananarivo, etsy Ankadilanana Mahamasina ho « Toby Jeneraly Richard Ravalomanana ».  Ity no toby fahatelo nomena anarana manamboninahitra jeneraly efa nisotro ronono, ary mbola velon’aina. Tsiahivina fa mbola velona ny Jeneraly Sambiheviny Findrama Elson, izay  nampisalorana ny anarany ny Tobin’ny fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena ao Toliara, ny 28 febroary 2020. Mbola velona  koa ny Jeneraly Andriamahefa Hemercellin no natao batemy ho amin’ny anarany ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena Ambositra, ny 10 oktobra 2020. Nanomboka ny taona 2019 mantsy, araka ny torolalana manokana laharana faha 247- SEG/4.Cab tamin’ny 28 novambra 2019, dia afaka nomena anarana Toby ireo Zandary efa misotro ronono, ankoatra ireo efa nodimandry. Ny antony, mba tsy ho maty vao Ramalala, fa mbola velona dia efa ankasitrahana sy omem-boninahitra ireo nahavita be teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Ny lanonana omaly, dia teo ambany fitarihan’ny Jeneraly Rakotondrazaka Andriantsarafara, Minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, notronin’ireo olo-manan-kaja sivily sy miaramila maro. Singanina manokana ireo parlemantera, Loholona sy Solombavambahoakan’i Madagasikara ary ireo Ben’ny Tanàna, izay tonga maro nanome voninahitra ny fotoana.

Antony maro no nisafidianana manokana ny tobin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Antananarivo. Voalohany, ny filohan’ny Antenimierandoholona dia niasa sy nipetraka tao amin’io Toby io an-taonany maro, nandritra ny fotoana naha am-perinasa azy, teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Maro ireo andraikitra efa nosahaniny teto anivon’ny CIRGN Antananarivo, izay efa lefitry ny komandin’ny vondron-tobim-paritra Imerina centrale, (1985-1987), raha vao nivoaka ny Sekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena. Komandin’ny Vondron-tobim-paritra Imerina centrale (1994-1996). Komandin’ny CIRGN Antananarivo (2009-2012).

Nandalo sedra maro…

Manaraka izany, maro ny sedra, ny fotoana manan-danja niseho nandritra ny fotoana niandraiketany ireo andraikitra. Singanina manokana amin’izany, ny niatrehany asan-jiolahy tany ambanivohitra sy an-tanàn-dehibe, fanakorontanana ny filaminam-bahoaka ; ny fikomiana miaramila miisa enina sy ny asa fampihorohoroana maro. Intelo naratra izy nandritra ny fotoam-piasany teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Ny nahazoany taratasy fankasitrahana in-dimy tamin’ny nahatontosany tamin’ny antsakany sy andavany ny asa tamim-pamendrehana. Izy koa no nanangana ny toerana fitaizana ny zaza kambotin’ireo zandarimaria, lavo teo am-perinasa. ny 23 oktobra 2013, fony izy Komandin’ny Zandarimariam-pirenena. Mbola izy koa no angady nananana ny 02 avrily, « Andron’ny zandarimariam-pirenena.

Ankoatra izay, nahazo « Médailles d’or » avy amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena frantsay, sy ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena malagasy ary ny Zandarimariam-pirenena malagasy izy. Teo am-pamaranana ny fandraisam-pitenenan’ny Jly Ravalomanana Richard, dia nampirisika ireo zandary amperinasa izy, mba hilofo hatrany amin’ireo asa nampiandraiketina azy ireo, hiaro ny voninahitry ny Zandarimariam-pirenena. Ny Zandarimariam-pirenena, hoy izy, dia Andrimpanjakana fototry ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana, fampiharana ny tany tan-dalàna ary natao hiaro ny Andrimpanjakana, ny ain’ny vahoaka sy ny fananany.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer