Fanadihadiana Manokana

FARITRA AROVANA ETO MADAGASIKARA : Mihamafy ny tsindry noho ny fisian’ireo fitrandrahana tsy ara-dalàna

Ankoatra ny fikapana ny ala, ny fihazana ireo biby, dia tsindry mahazo vahana miantraika amin’ireo faritra arovana ihany koa ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna. Nahatratra tranga mifandraika amin’izany ny polisim-pirenena tamin’ny alatsinainy lasa teo, tany amin’ny faritra arovana Anjanaharibe-Sud Andapa. Fepetra efa noraisin’ny Fitondram-panjakana ny firosoana amin’ny fandravana ireny fitrandrahana tsy ara-dalàna any anatin’ireny faritra arovana ireny.

Toeram-ponenan’ireo karazanjavamananaina maro misy eto Madagasikara ny any anatin’ireny valanjavaboary sy faritra arovana ireny. I Madagasikara, raha tsiahivina, dia mitahiry ny 05%-n’ireo karazanjavamananaina rehetra misy maneran-tany ary ny 80%-n’ireo karazanjavamananaina misy eto amintsika dia tsy fahita raha tsy eto amin’ny Nosintsika irery ihany. Miisa 125 ireo valanjavaboary sy faritra arovana miparitaka manerana ny Nosy izay manana velarana manodidina ny 8 tapitrisa hektara. Fanambin’ny Fitondram-panjakana ny hampiakarana io velarana io satria mikendry ny hametraka faritra arovana vaovao miisa 27, ankoatra ny efa misy, ny tompon’andraikitra. Manana anjara asa goavana oa anatin’ny rohivohary misy eto Madagasikara, noho izany, ny fisian’ireo faritra arovana io.

Mihamafy hatrany anefa ankehitriny ny tsindry mihatra amin’ireo faritra arovana eto Madagasikara. Niroborobo tato ho ato ny fitrandrahana tsy ara-dalàna any anatin’ireny faritra arovana ireny. Na izany fitrandrahana amin’ny alalan’ny fikapana ireo ala, na ihany koa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany mihitsy. Ireo rehetra ireo izay samy mitarika ny fahaverezan’ireo karazanjavamananainantsika.
Tamin’ny alatsinainy lasa teo, ohatra, dia lehilahy miisa 3 mpitrandraka vato tsy ara-dalàna no voasambotry ny hery vonjy taitran’ny polisy ao amin’ny Faritra SAVA, nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo tao anatin’ny valanjavaboary arovana Anjanaharibe-Sud Andapa. Niroso tamin’ny fisamborana ny polisy tamin’io fotoana io saingy nanohitra tamin’ny alalan’ny fitaovana teny am-pelatanany ireo mpitrandraka. Voatery nanao tifi-danitra ho fampitandremana azy ireo ny polisy. Nomarihin’ny fampahafantarana avy amin’ny polisim-pirenena moa fa faritra arovana misy karazam-biby sy zavamaniry maro tsy fahita hafa tsy eto Madagasikara sy ao amin’io faritra irery io ihany ny ao Anjanaharibe-Sud. Nentina ao Andapa hanaovana fanadihadiana ireo mpanao fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo taorian’ny fisamborana azy.

Hiroso amin’ny fandravana ny Fitondram-panjakana

Miteraka voka-dratsy maro ny fisian’ireo fitrandrahana harena an-kibon’ny tany any anatin’ireny faritra arovana ireny, indrindra fa fitrandrahana tsy ara-dalàna. Tsy mipetraka intsony ny maha faritra arovana ny toerana, simba ny tontolo iainana, ary miteraka faty antoka eo amin’ny lafiny ara-toekarena izany. Araka izany, isan’ny noresahana nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra notanterahana tamin’ny alarobia 19 febroary 2025 izany tranga izany. Tapaka tamin’io fa hiroso amin’ny hetsika fandravana ireo fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna any amin’ireo faritra arovana ny tompon’andraikitra.

Tsy azo ekena, hoy ny Filohan’ny Repoblika, ny fanaparam-pahefana sy ny fanitsakitsahana ny soa iombonana ka tsy anavahana na iza na iza, satria tany tan-dalàna i Madagasikara, ary tsy misy ambonin’ny lalàna. Ireo fitrandrahana ty ara-dalàna ireo mantsy dia fanitsakitsahana mibaribary ny lalàna momba ny tontolo iainana sy ny harena an-kibon’ny tany. Voafaritra ao amin’ny fehezan-dalàna momba ny faritra arovana sy ny fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon’ny tany anefa fa voarara tanteraka ny asa fitrandrahana any anatin’ireo faritra arovana ireo.
Manoloana izany, hisy ny hetsika izay iarahana amin’ireo hery fiarovana sy filaminana handrava sy handroahana ireo fitrandrahana tsy ara-dalàna ireo. Hamafisina ihany koa ny fanentanana sy ny fanaraha-maso ireo faritra arovana hisorohana ny mety hiverenan’ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna indray. Tsy adinoina ny fanamafisana ny lalàna sy ireo rafitra mba tsy hiasan’ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna ireo intsony amin’ny ho avy. Tafiditra tao anatin’ny hetsika fanaraha-maso natao no nahatrarana io tranga tany Andapa io.

 

Fanamafisana ny fiarovana

Manoloana ny tranga toy izao dia tokony hitodihana hatrany ny fanamafisana ny fiarovana ireny valanjavaboary sy faritra arovana ireny. Samy manana anjara ao anatin’izany na ny Fitondram-panjakana, ireo olom-pirenena eny ifotony, orinasa sy fikambanana mpahazo tombontsoa amin’ny fisian’ny faritra arovana. Izany indrindra no antony nametrahana ny rafitra VOI (Vondron’Olona Ifotony), natao hitantana sy hanara-maso ireny faritra arovana ireny. Ho an’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy dia paikady ampiharina ny fanohanana hatrany ireo mponina mipetraka manodidina ny faritra arovana mba tsy hiteraka tsindry amin’ireo valanjavaboary ireo ny fisian’izy ireo raha tojo tsy fahampiana. Noho izany dia misy hatrany ny fanomezana tantsoroko ny mponina amin’ny alalan’ny fametrahana asa fivelomana toy ny fanampiana amin’ny fampiharana tetikasam-pambolena, fiompiana, fizahantany, asa tanana sy ny maro hafa.
Manoloana ny fivoaran’ny teknolojia, efa ampiasaina fitaovana moderina toy ny “drone” ihany koa ny fanaraha-maso ireo faritra arovana ankehitriny.
Mahakasika ireo faritra arovana an-dranomasina sy anaty rano, paikady ampiharina ny fanentanana ireo mponina mahakasika ny teknikam-panjonoana sy fitaovam-panjonoana miaro ny hahafahan’ny harena anaty rano miroborobo. Noferena ihany koa ny vanim-potoana hanjonoana ary voafaritra ny toerana azo hitrandrahana ny harena anaty rano. Hamafisina ny fanaraha-maso ny fivezivezena anatin’ireny faritra arovana ireny. Hamafisina ny fanentanana mahakasika ny fikajiana mba tsy ho voatrandraka mihoatra ny tokony ho izy ny harena an-dranomasina.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer