Non classé
FARITRA ATSIMO : Mponina 100.000 hisitraka famatsiam-bola mitentina 7,5 tapitrisa dolara
Famatsiam-bola mitentina 7,5 tapitrisa dolara no natolotry ny governemanta amerikana, hamatsiana ny sakafo ny mponina, hitsaboana ny zaza sy ny vehivavy bevohoka tratry ny tsy fahampian- tsakafo miisa 357.600, ary indrindra hanorenana indray ny fiainan’ny tantsaha.
Mponina miisa 100.000 any atsimon’i Madagasikara no hisitraka ity fanampiana avy amin’ny governemanta amerikana ity, izay mamatsy vola hanomezana sakafo ho an’ny mponina miisa 683.000 any atsimo sy atsimo atsinanana. Ny tetikasa dia hamatsiana sakafo, rano fisotro sy fitsaboana ho an’ny olona 46.000 ary hanome fitsaboana zaza miisa 13.000 izay iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo. Tantsaha miisa 41.000 no hisitraka famatsiana masomboly hanorenana ireo olana mianjady eo amin’ny resaka fambolena sy tohana ihany koa hanatsarana ny fotoam-pambolena amin’ny manaraka. Misy ihany koa ny fanatsarana ny fahazoan-drano ho an’ny mponina miisa 50.000. Anisany vaindohan-draharaha ny fiantohana ny « Adventist Development and Relief Agency » na (ADRA) any Ampanihy, sy ny ady amin’ny keré na (ACF) any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Androy, sy Anosy.
Mponina 1,1 tapitrisa ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo
Hitohy hatramin’ny faran’ny volana septambra io fanampiana io. Manomboka amin’ny oktobra 2021 ka hatramin’ny martsa 2020 ihany koa ny fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny USAID izay iantohan’ilay famatsiam-bola mitentina 40 tapitrisa dolara nambara tamin’ny volana jona sy ny 7,5 tapitrisa dolara nambara omaly. Efa maherin’ny 1,1 tapitrisa ny mponina ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo ankehitriny ary ahiana mbola hitombo izany, araka ny fanazavana. Mponina 14.000 farafahakeliny no ahiana ho tratry ny mosary, vinavinaina ho tena ratsy ny vokatra ary mety hiharatsy ny fahazoana sakafo amin’ny 2022. Ny tetikasa fampandrosoana roa, maharitra dimy taona izay nambara tamin’ny volana desambra, natao hitondrana vahaolana maharitra hisorohana sy hampihenana ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika eo amin’ireo olona tena marefo, dia efa am-perinasa any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Androy, Vatovavy-Fitovinany, ary Atsimo Atsinanana. “Ny vola natokana ho an’izao vonjy aina izao anefa dia tsy ho ampy hamatsiana sakafo sy hitsaboana ny rehetra. Izany no mbola ahitantsika mponina mihinan-dravina sy valala araka ny tatitra” hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID, Dunlop. Betsaka, hoy izy, no tokony mbola hatao ary efa nanambara ny fandraisana anjara ny mpamatsy vola sasany. “Mijoro mandrakariva eo anilan’ny fanjakana sy vahoaka malagasy ny governemanta amerikana, toy ny « mpirahalahy mianala, » hiatrika ny vanim-potoana sarotra, hiezaka hisoroka ny hanoanana sy ny mosary, ary hanampy ireo izay tena mila izany”, hoy ny Mpiandraiki-draharaha amerikana Amy J. Hyatt.
Fanampiana nanomboka 2015
Marihina fa, nahatratra 133,5 tapitrisa dolara ny fanampian’ny USAID ho an’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa, ahitana 74.5 tapitrisa dolara natokana ho an’ny tetikasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana izay i Etazonia no firenena mpamatsy vola lehibe indrindra, ary 48,5 tapitrisa dolara ho an’ny fampanjariana ara-tsakafo. Nanomboka tamin’ny taona 2015, ny governemanta amerikana no mpamatsy fanampiana lehibe indrindra ny any atsimo tamin’ny alàlan’ny USAID. Nisy ny famatsiana 236 tapitrisa dolara mahery hiantohana ny filana maika ho an’ny fianakaviana misedra hanoanana, ary nanomezana vahaolana maharitra hiatrehana ny tsy fanjarian-tsakafo. Omaly 27 Jolay no nanambarana ofisialy ity famatsiam-bola vaovao mitentina 7,5 tapitrisa dolara ity Andriamatoa John Dunlop, Tale Jeneralin’ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID).
Nangonin’i Marina (Mpianatra asa).

